聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Luke

13

1若不悔改都要灭亡
1Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny.
2他回答:“你们以为这些加利利人比其他的加利利人更有罪,才这样受害吗?
2Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?
3不是的,我告诉你们,你们若不悔改,都要这样灭亡。
3Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
4你们以为从前西罗亚楼倒塌的时候,压死的那十八个人,比一切在耶路撒冷的居民更有罪吗?
4Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
5不是的,我告诉你们,你们若不悔改,也都要这样灭亡。”
5Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
6不结果的无花果树耶稣讲了这样一个比喻:“有一个人把一棵无花果树栽在自己的葡萄园里。他来到树那里找果子,却找不到。
6Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
7他对管园的说:‘你看,这三年,我来到这棵无花果树那里找果子,却找不到,把它砍了吧!何必白占地土呢?’
7Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
8管园的说:‘主人,今年且留着它,等我把周围的泥土挖松,加上肥料;
8Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
9以后结果子就罢,不然,再把它砍了。’”
9angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
10在安息日治好病人安息日的时候,耶稣在会堂里教导人。
10Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata.
11有一个女人被邪灵附着,病了十八年,弯腰曲背,完全直不起来。
11Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
12耶稣看见了,就叫她过来,对她说:“妇人,你脱离这疾病了。”
12Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao.
13耶稣用双手按在她身上,她立刻直起腰来,颂赞 神。
13Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.
14会堂的主管,因为耶稣在安息日治病,就气忿忿地对群众说:“有六天是应当作工的,你们可以在这六天里来求医,但在安息日却不可以。”
14Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.
15主说:“伪君子啊,你们哪一个人在安息日,不从槽那里解开牛、驴,牵去喝水呢?
15Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
16何况这个女人是亚伯拉罕的后裔,已经被撒但捆绑了十八年,不应当在安息日解开她的捆绑吗?”
16Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?
17他说完了这些话,那些与他为敌的人都惭愧;群众却都因他所行一切荣耀的事欢喜。
17Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
18芥菜种和面酵的比喻(太13:31-33;可4:30-32)耶稣说:“ 神的国好像什么呢?我要把它比作什么呢?
18Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
19它好像一粒芥菜种,人拿去种在自己的园子里。它长大了,成为一棵树,甚至天空的飞鸟也在它的枝头搭窝。”
19Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.
20他又说:“我要把 神的国比作什么呢?
20Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra?
21它好像面酵,女人拿去放在三斗面里,直到全团发起来。”
21Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.[Gr. nafeniny]
22当进窄门(太7:13-14、21-23)耶稣经过各城各乡,往耶路撒冷去,沿途教导人。
22Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
23有一个人问他:“主啊,是不是只有很少的人得救呢?”他对众人说:
23Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:
24“你们应当竭力进窄门!我告诉你们,将来许多人要进去,却是不能。
24Miseseha hiditra amin'ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
25等到家主起来关上门,你们站在门外叩门说:‘主啊,给我们开门!’他要回答你们:‘我不知道你们是从哪里来的。’
25Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
26那时,你们要说:‘我们在你面前吃过喝过,你也在我们街上教导过人。’
26ary amin'izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
27他要说:‘我告诉你们,我不晓得你们是从哪里来的;你们所有作恶的人,离开我去吧!’
27Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
28当你们看见亚伯拉罕、以撒、雅各和众先知都在 神的国里的时候,你们却被赶到外面去,在那里必要哀哭切齿。
28Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
29从东从南,从西从北,将有人来,在 神的国里吃饭。
29Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
30在后的将要在前,在前的将要在后。”
30Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
31为耶路撒冷叹息(太23:37-39。参路19:41)就在那时候,有几个法利赛人来对耶稣说:“你离开这里走吧!因为希律想要杀你。”
31Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
32他说:“你们去告诉那个狐狸,今天明天我赶鬼医病,第三天我的事就完成了。
32Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.[ volpa]
33然而,今天明天后天,我必须前行,因为先知不能在耶路撒冷以外丧命。
33Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
34耶路撒冷啊,耶路撒冷,你杀害先知,又用石头把奉派到你那里的人打死。我多次想招聚你的儿女,好像母鸡招聚小鸡到翅膀底下,只是你们不愿意。
34Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).
35你看,你们的家必成为荒场留给你们。我告诉你们,从今以后,你们一定见不到我,直等到你们说:‘奉主名来的,是应当称颂的。’”
35Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).