聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Mark

15

1耶稣被押交彼拉多(太27:1-2、11-14;路23:1-3;约18:29-37)
1Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.[Na: dia]
2彼拉多问他:“你是犹太人的王吗?”耶稣回答:“你说的是。”
2Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.
3祭司长控告了他许多事。
3Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.
4彼拉多又问他:“你看,他们控告你这么多的事!你什么都不回答吗?”
4Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao!
5耶稣还是一言不答,使彼拉多非常惊奇。
5Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.
6彼拉多判耶稣钉十字架(太27:15-26;路23:13-25;约18:38-19:16)每逢这节期,彼拉多按着众人所要求的,照例给他们释放一个囚犯。
6Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin'ny vahoaka.
7有一个人名叫巴拉巴,和作乱的人囚禁在一起,他们作乱的时候,曾杀过人。
7Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin'ny fikomiana.
8群众上去,要求彼拉多援例给他们办理。
8Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.
9彼拉多回答他们:“你们要我给你们释放这个犹太人的王吗?”
9Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo?
10他知道祭司长是因为嫉妒才把耶稣交了来。
10Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona Azy.
11祭司长却煽动群众,宁可要总督释放巴拉巴给他们。
11Fa ny lohan'ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan'i Pilato ho azy.
12彼拉多又对他们说:“那么,你们称为犹太人的王的,你们要我怎样处置他呢?”
12Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin'ilay ataonareo hoe: Mpanjakan'ny Jiosy?
13他们就喊着说:“把他钉十字架!”
13Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
14彼拉多说:“他作了什么恶事呢?”众人却更加大声喊叫:“把他钉十字架!”
14Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
15彼拉多有意讨好群众,就释放了巴拉巴给他们,把耶稣鞭打了,交给他们钉十字架。
15Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.[Izahao Mat. 27.36]
16士兵戏弄耶稣(太27:27-31)士兵把耶稣带进总督府的院子里,召集了全队士兵。
16Ary ny miaramila nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.
17他们给他披上紫色的外袍,又用荆棘编成冠冕给他戴上;
17Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.
18就向他祝贺说:“犹太人的王万岁!”
18Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
19又用一根芦苇打他的头,向他吐唾沫,并且跪下来拜他。
19Ary dia nikapoka ny lohany tamin'ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
20他们戏弄完了,就把他的紫色的外袍脱下,给他穿回自己的衣服,带他出去,要钉十字架。
20Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy.
21耶稣被钉十字架(太27:32-44;路23:26-43;约19:17-24)有一个古利奈人西门,就是亚历山大和鲁孚的父亲,从乡下来到,经过那里,士兵就强迫他背着耶稣的十字架。
21Ary Simona Kyreniana (rain'i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
22他们把耶稣带到各各他地方(这地名译出来就是“髑髅地”),
22Ary Jesosy dia nentiny teo amin'ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.
23拿没药调和的酒给他,他却不接受。
23Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.
24他们就把他钉了十字架;又抽签分他的衣服,看谁得着什么。
24Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
25他们钉他十字架的时候,是在上午九点钟。
25Ary tamin'ny ora fahatelo no nanomboany tamin'ny hazo fijaliana.
26耶稣的罪状牌上写着“犹太人的王”。
26Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY.
27他们又把两个强盗和他一同钉十字架,一个在右,一个在左。
27Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.
28(有些抄本有第28节:“这就应验了经上所说的:‘他和不法者同列。’”)
28[Ampio hoe: 28 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy (Isa. 53. 12)]
29过路的人讥笑他,摇着头说:“哼,你这个要拆毁圣所,三日之内又把它建造起来的,
29Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana,
30从十字架上把自己救下来吧!”
30vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin'ny hazo fijaliana.
31祭司长和经学家也同样讥笑他,彼此说:“他救了别人,却不能救自己;
31Ary toy izany koa no faneson'ny lohan'ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.
32以色列的王基督啊,现在可以从十字架上下来,让我们看见就信吧。”那和他同钉十字架的人也侮辱他。
32Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.
33耶稣死时的情形(太27:45-56;路23:44-49;约19:28-30)从正午到下午三点钟,遍地都黑暗了。
33Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany.
34下午三点的时候,耶稣大声呼号:“以罗伊,以罗伊,拉马撒巴各大尼?”这句话译出来就是:“我的 神,我的 神,你为什么离弃我?”
34Ary tamin'ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 2).
35有些站在旁边的人听见了就说:“看,他呼叫以利亚呢。”
35Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an'i Elia Izy.
36有一个人跑去拿海绵浸满了酸酒,绑在芦苇上,递给他喝,说:“等一等,我们看看以利亚来不来救他。”
36Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin'ny vinaingitra, ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.
37耶稣大叫一声,气就断了。
37Ary Jesosy niantso tamin'ny feo mahery, dia afaka ny ainy.
38圣所里的幔子,从上到下裂成两半。
38Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
39站在他对面的百夫长,看见他这样断气,就说:“这人真是 神的儿子!”
39Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.[Na: nahita Azy niantso toy izany, sady afaka ny ainy]
40也有些妇女远远地观看,她们之中有抹大拉的马利亚,小雅各和约西的母亲马利亚,以及撒罗米。
40Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan'ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba kely sy Josesy,
41这些妇女,当耶稣在加利利的时候,就一直跟随他、服事他。此外,还有许多和他一同上耶路撒冷的妇女。
41izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin'ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.
42耶稣葬在坟墓里(太27:57-61;路23:50-56;约19:38-42)到了晚上,因为是预备日,就是安息日的前一日,
42Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan'ny Sabata),
43一个一向等候 神国度的尊贵的议员,亚利马太的约瑟来了,就放胆地进去见彼拉多,求领耶稣的身体。
43dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan'ny Synedriona sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin'i Pilato izy ka nangataka ny fatin'i Jesosy.
44彼拉多惊讶耶稣已经死了,就叫百夫长前来,问他耶稣是不是死了很久。
44Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.
45他从百夫长知道了实情以后,就把尸体给了约瑟。
45Ary rehefa nahare tamin'ny kapiteny izy, dia nomeny an'i Josefa ny faty.
46约瑟买了细麻布,把耶稣取下,用细麻布裹好,安放在一个从磐石凿出来的坟墓里,又辊过一块石头来挡住墓门。
46Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy.Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
47抹大拉的马利亚和约西的母亲马利亚都看见安放他的地方。
47Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.