聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Mark

14

1商议怎样杀害耶稣(太26:1-5;路22:1-6)
1Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
2不过他们说:“不可在节期下手,免得引起民众暴动。”
2Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
3伯大尼妇人用香膏膏主(太26:6-13。参约12:1-8)耶稣在伯大尼,在患痲风的西门家里吃饭的时候,有一个女人来了,拿着一瓶珍贵的纯哪哒香膏。她打破了瓶,把香膏浇在耶稣的头上。
3Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka.
4有几个人很生气,彼此说:“为什么这样浪费香膏呢?
4Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
5这香膏可以卖三百多个银币,用来赒济穷人。”他们就向她发怒。
5Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
6但耶稣说:“由她吧!为什么难为她呢?她在我身上作的是一件美事。
6Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
7你们常常有穷人跟你们在一起,只要你们愿意,随时都可以向他们行善,然而你们却不常有我。
7Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
8她已经尽她所能的作了。她预先用香膏膏了我的身体,是为了我的安葬。
8Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
9我实在告诉你们,福音无论传到世界上什么地方,都要传讲这女人所作的来记念她。”
9Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
10犹大出卖耶稣(太26:14-16)十二门徒中的一个,就是加略人犹大,去见祭司长,要把耶稣交给他们。
10Ary Jodasy Iskariota, ilay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona hamadika an'i Jesosy aminy.
11他们听见了就很欢喜,答应给他银子。于是犹大就找机会出卖耶稣。
11Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
12最后的晚餐(太26:17-30;路22:7-23;约13:21-30。参林前11:23-25)除酵节的第一天,就是宰杀逾越节羊羔的那一天,门徒问耶稣:“你要我们到哪里去,为你预备逾越节的晚餐呢?”
12Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
13他就差派两个门徒,对他们说:“你们到城里去,必有一个拿着水瓶的人,向你们迎面而来,你们就跟着他,
13Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
14无论他进入哪一家,你们要对那家主说,老师说:‘我的客厅在哪里?我和门徒好在那里吃逾越节的晚餐。’
14Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
15他必指给你们楼上一间布置整齐、预备妥当的大房间,你们就在那里为我们预备。”
15Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
16门徒出去,进了城,所遇见的正如耶稣所说的,就预备好了逾越节的晚餐。
16Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
17到了晚上,耶稣和十二门徒来了。
17Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy.
18他们坐着吃饭的时候,耶稣说:“我实在告诉你们,你们中间有一个跟我一起吃饭的人要出卖我。”
18Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
19他们就很忧愁,一个一个地问他:“是我吗?”
19Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
20耶稣对他们说:“他是十二门徒里的一个,和我一同把手蘸在盘子里的。
20Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy.
21正如经上指着人子所说的,他固然要离世,但出卖人子的那人有祸了!他没有生下来还好。”
21Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
22他们吃的时候,耶稣拿起饼来,祝谢了,就擘开,递给门徒,说:“你们拿去吃吧,这是我的身体。”
22Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
23又拿起杯来,祝谢了就递给门徒,他们都喝了。
23Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany.
24耶稣说:“这是我的血,是为立约的,为许多人流出来的。
24Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.[Na: fanekena vaovao]
25我实在告诉你们,我决不再喝这葡萄酒,直到我在 神的国里喝新酒的那一天。”
25Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
26他们唱完了诗,就出来,往橄榄山去。
26Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
27预言彼得不认主(太26:31-35;路22:31-34;约13:36-38)耶稣对他们说:“你们都要后退,因为经上记着:‘我要击打牧人,羊群就分散了。’
27Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry (Zak. 13. 7).
28但我复活以后,要比你们先到加利利去。”
28Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
29彼得对他说:“就算所有的人都后退,我却不会。”
29Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
30耶稣对他说:“我实在告诉你,就在今天晚上,鸡叫两遍以前,你会三次不认我。”
30Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin'ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
31彼得更坚决地说:“就算必须与你一同死,我也决不会不认你!”众人也都这样说。
31Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.
32在客西马尼祷告(太26:36-46;路22:39-46)他们来到一个地方,名叫客西马尼;耶稣对门徒说:“你们坐在这里,我去祷告。”
32Ary tonga tany amin'ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
33他带了彼得、雅各、约翰一起去,就惊惧起来,非常难过。
33Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
34于是对他们说:“我的心灵痛苦得快要死了;你们要留在这里,也要警醒。”
34Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
35耶稣稍往前走,俯伏在地上祷告:如果可能的话,使那时刻不要临到他。
35Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao.
36他说:“阿爸、父啊,你凡事都能作,求你叫这杯离开我。但不要照我的意思,只要照你的旨意。”
36Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
37耶稣回来,看见门徒睡着了,就对彼得说:“西门,你睡觉吗?你连一个小时也不能警醒吗?
37Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
38应当警醒、祷告,免得陷入试探;你们心灵虽然愿意,肉体却是软弱的。”
38Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
39耶稣又去祷告,说的也是同样的话。
39Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
40他再回来的时候,看见门徒睡着了;因为他们十分疲倦,不知道该怎样回答他。
40Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
41耶稣第三次回来,对他们说:“你们还在睡觉休息吗?够了,时候到了,看哪,人子要被交在罪人手里了。
41Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota.
42起来,我们走吧!出卖我的人来了。”
42Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
43耶稣被捕(太26:47-56;路22:47-53;约18:3-11)耶稣还在说话的时候,十二门徒中的犹大和一群拿着刀棒的人来到了;他们是祭司长、经学家和长老派来的。
43Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
44出卖耶稣的人给他们一个暗号,说:“我跟谁亲嘴,谁就是他。你们把他逮捕,小心带去。”
44Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
45犹大来到,立刻上前对耶稣说:“拉比!”就跟他亲嘴。
45Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
46他们就动手拿住耶稣,逮捕了他。
46Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
47站在旁边的人中有一个拔出刀来,砍了大祭司的仆人一刀,削掉了他的一只耳朵。
47Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
48耶稣对他们说:“你们带着刀棒出来,把我当作强盗捉拿吗?
48Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
49我天天在殿里教导人,跟你们在一起,你们却没有捉拿我;但这是为了要应验经上的话。”
49Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.
50门徒都离开他逃跑了。
50Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
51有一个青年,赤身披着一块麻布,跟着耶稣。众人捉住他的时候,
51Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy.
52他就丢掉麻布,赤身逃跑了。
52Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
53大祭司审问耶稣(太26:57-68;路22:67-71;约18:12-13、19-24)他们把耶稣押到大祭司那里,所有的祭司长、长老和经学家都聚集在一起。
53Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
54彼得远远地跟着耶稣,直到大祭司的官邸,和差役一同坐着烤火。
54Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan'ny afo.
55祭司长和公议会全体都寻找证据控告耶稣,要把他处死,却没有找着。
55Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an'i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
56有许多人作假证供控告他,但他们的证供各不相符。
56Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
57有几个人站起来,作假证供控告他说:
57Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
58“我们听他说过:‘我要拆毁这座人手所造的圣所,三日之内要另建一座不是人手所造的圣所。’”
58Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin'ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
59就是这样的见证,他们也不一致。
59Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin'izany aza.
60大祭司站起来,走到中间,问耶稣:“这些人作证控告你的是什么呢?你怎么不回答呢?”
60Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
61耶稣却不作声,什么也不回答。大祭司又问他:“你是那受称颂者的儿子基督吗?”
61Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
62耶稣说:“我是。你们要看见人子,坐在权能者的右边,驾着天上的云降临。”
62Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
63大祭司就撕开自己的衣服,说:“我们还要什么证人呢?
63Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
64你们都听见这亵渎的话了。你们认为怎么样?”众人都定他该死的罪。
64Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon'izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.[Gr. blasfemia, izahao Mat. 9.3]
65于是有些人就向他吐唾沫,蒙住他的脸。用拳头打他,对他说:“你说预言吧!”差役把他拉去,用手掌打他。
65Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.[Na. tehina]
66彼得三次不认主(太26:69-75;路22:54-62;约18:15-18、25-27)彼得在下边院子的时候,大祭司的一个婢女来了,
66Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin'ny ankizivavin'ny mpisoronabe;
67看见彼得烤火,就瞪着他说:“你也是和拿撒勒人耶稣一伙的!”
67ary nony nahita an'i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
68彼得却否认说:“我不知道,也不明白你在说什么!”他就走出去,到了前院,鸡就叫了(有些抄本无“鸡就叫了”一句)。
68Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
69那婢女看见他,又对站在旁边的人说:“这个人也是他们一伙的。”
69Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;
70彼得还是不承认。过了一会,站在旁边的人也对彼得说:“你真是他们一伙的,因为你也是加利利人。”
70fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin'i Petera hoe: Naman'ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.
71彼得就发咒起誓说:“我不认得你们说的这个人!”
71Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
72立刻鸡就叫了第二遍。彼得想起耶稣对他说过的话:“鸡叫两遍以前,你要三次不认我。”他一想起来,就哭了(“他一想起来,就哭了”或译:“他就夺步而出,痛哭起来”)。
72Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.