聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Mark

13

1预言圣殿被毁(太24:1-2;路21:5-6)
1Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
2耶稣对他说:“你看见这些伟大的建筑吗?将来必没有一块石头留在另一块石头上面,每一块都要拆下来。”
2Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
3这世代终结的预兆(太24:3-14;路21:7-19)耶稣在橄榄山上,面对圣殿坐着,彼得、雅各、约翰和安得烈私下问他:
3Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
4“请告诉我们,什么时候会有这些事呢?这一切事将要成就的时候有什么预兆呢?”
4Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
5耶稣就告诉他们说:“你们要小心,不要被人迷惑。
5Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
6有许多人要来,假冒我的名说‘我就是基督’,并且要迷惑许多的人。
6Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
7你们听见战争和战争的风声,也不要惊慌,这是免不了的,不过,结局还没有到。
7Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
8一个民族要起来攻打另一个民族,一个国家要起来攻打另一个国家,到处要有地震,有饥荒,这些不过是痛苦的开始。
8Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana.[Gr. faharariam-piterahana]
9但你们要小心!因为人要把你们交给公议会,你们要在会堂里被鞭打,又要为我的缘故站在总督和君王面前,向他们作见证。
9Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
10然而福音必须先传给万民。
10Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
11人把你们捉去送官的时候,用不着预先思虑要说什么,到那时候赐给你们什么话,你们就说什么,因为说话的不是你们,而是圣灵。
11Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
12弟兄要出卖弟兄,父亲要出卖儿子,甚至把他们置于死地;儿女要悖逆父母,害死他们。
12Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
13你们为我的名,要被众人恨恶,然而坚忍到底的必然得救。
13Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
14大灾难的日子(太24:15-28;路21:20-24)“当你们看见‘那造成荒凉的可憎者’,站在不该站的地方(读者必须领悟),那时,住在犹太的应当逃到山上;
14Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
15在房顶的不要下来,也不要进到屋子里拿什么东西;
15Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
16在田里的也不要回去取衣服。
16Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
17当那些日子,怀孕的和乳养孩子的有祸了!
17Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany!
18你们应当祈求,不要让这些事在冬天发生。
18Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany.
19因为那些日子必有灾难,这是从 神创世的开始到现在未曾有过的,以后也必不会再有。
19Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
20如果不是主减少那些日子,没有一个人可以存活;但是为了自己的选民,他必使那些日子减少。
20Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
21那时,如果有人对你们说:‘看哪,基督在这里!看哪,他在那里!’你们不要信。
21Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ ; aza mino ianareo.
22因为必有假基督和假先知出现,行神迹和奇事,如果可以的话,连选民也要迷惑了。
22Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[Na: hatsangana]
23所以你们应当小心!我已经事先把一切都告诉你们了。
23Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
24人子必驾云降临(太24:29-35;路21:25-33)“当那些日子,在那灾难以后,太阳就变黑了,月亮也不发光,
24Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
25众星从天坠落,天上的万象震动。
25ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra.
26那时,他们要看见人子,满有能力和荣耀,驾着云降临;
26Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra.
27他要差派天使,把他的选民从四方,从地极直到天边,都招聚来。
27Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.[Gr. rivotra]
28“你们应该从无花果树学个功课:树枝发出嫩芽长出叶子的时候,你们就知道夏天近了。
28Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
29同样,你们什么时候看见这些事发生,就知道他已经近在门口了。
29Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.[Na: izany]
30我实在告诉你们,这一切都必会发生,然后这世代才会过去。
30Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany. [ Gr. handalo] [ Na: ity firenena ity]
31天地都要过去,但我的话决不会废去。
31Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
32警醒准备(太24:36-51;路21:34-36)“至于那日子和时间,没有人知道,连天上的天使和子也不知道,只有父知道。
32Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
33你们要小心,要警醒,因为你们不知道那日期什么时候来到。
33Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.[Gr. miareta tory]
34这就像一个人出外远行,把责任(“责任”原文作“权柄”)一一地交给他的仆人,又吩咐看门的要警醒。
34Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
35所以你们要警醒,因为你们不知道家主什么时候来到,也许在黄昏,也许在半夜,也许在鸡叫时,也许在清晨。
35Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
36恐怕他忽然来到,发现你们正在睡觉。
36fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra
37我对你们所说的话,也是对众人说的,‘你们要警醒’。”
37Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra