聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Mark

12

1佃户的比喻(太21:33-46;路20:9-19)
1Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
2到了时候,园主派了一个仆人到佃户那里,向佃户收取葡萄园一部分的果子。
2Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka.
3佃户抓住他,打了他,放他空手回去。
3Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
4园主再派另外一个仆人到他们那里,他们打伤了他的头,并且侮辱他。
4Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
5园主又派另一个去,他们就把他杀了。后来又派去许多仆人,有的给他们打了,有的给他们杀了。
5Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
6还有一个,就是园主的爱子,最后园主派他到那里去,说:‘他们必尊敬我的儿子。’
6Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
7那些佃户却彼此说:‘这是继承产业的;来,我们杀了他,产业就是我们的了。’
7Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
8于是抓住他,把他杀了,扔在葡萄园外。
8Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka.
9这样,葡萄园的主人要怎么办呢?他要来除掉那些佃户,把葡萄园租给别人。
9Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.
10你们没有念过这段圣经吗:‘建筑工人所弃的石头,成了房角的主要石头;
10Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;
11这是主所作的,在我们眼中看为希奇。’”
11Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.)
12他们知道他这比喻是针对他们说的,就想要捉拿他,但因为害怕群众,只好离开他走了。
12Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.
13以纳税的事问难耶稣(太22:15-22;路20:19-26)后来,他们派了几个法利赛人和希律党的人到耶稣那里去,要找他的把柄来陷害他。
13Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny.
14他们来到了,就对他说:“老师,我们知道你为人诚实,不顾忌任何人,因为你不徇情面,只照着真理把 神的道教导人。请问纳税给凯撒可以不可以?我们该纳不该纳呢?”
14Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
15耶稣看出他们的假意,就对他们说:“你们为什么试探我呢?拿一个银币来给我,让我看看。”
15Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.
16他们就拿来了。耶稣问他们:“这是谁的像,谁的名号?”他们回答他:“凯撒的。”
16Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An'iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara.
17耶稣说:“凯撒的应当归给凯撒, 神的应当归给 神。”他们就对他十分惊奇。
17Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
18人复活后不娶不嫁(太22:23-33;路20:27-38)撒都该人向来认为没有复活的事,他们来到耶稣那里,问他:
18Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
19“老师,摩西曾写给我们说:‘如果一个人死了,留下妻子,没有儿女,他的弟弟就应当娶他的妻子,为哥哥立后。’
19Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
20从前有兄弟七人,头一个娶了妻子,死了,没有留下孩子;
20Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
21第二个娶了她,也没有留下孩子,就死了;第三个也是这样。
21Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
22那七个人都没有留下孩子,最后那女人也死了。
22Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
23到了复活的时候,他们都要复活,她是哪一个的妻子呢?因为七个人都娶过她。”
23Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
24耶稣对他们说:“你们错了,不正是因为你们不明白圣经,也不晓得 神的能力吗?
24Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
25因为人从死里复活以后,也不娶,也不嫁,而是像天上的天使一样。
25Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.
26关于死人复活的事,摩西的经卷中荆棘篇上, 神怎样对他说:‘我是亚伯拉罕的 神,以撒的 神,雅各的 神’,你们没有念过吗?
26Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.)
27他不是死人的 神,而是活人的 神。你们是大错特错了!”
27Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra ianareo.
28最重要的诫命(太22:34-40;路10:25-28)有一个经学家,听到他们的辩论,觉得耶稣回答得好,就来问他:“诫命中哪一条是第一重要的呢?”
28Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?
29耶稣回答:“第一重要的是:‘以色列啊,你要听!主我们的 神是独一的主。
29Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;
30你要全心、全性、全意、全力,爱主你的 神。’
30koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5).
31其次是:‘要爱人如己。’再没有别的诫命比这两条更重要的了。”
31Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32那经学家对耶稣说:“老师,是的,你说的很对, 神是独一的,除了他以外再没有别的 神。
32Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
33我们要用全心、全意、全力去爱他,并且要爱人如己,这就比一切燔祭和各样祭物好得多了。”
33Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
34耶稣见他回答得有智慧,就对他说:“你距离 神的国不远了。”从此再也没有人敢问他了。
34Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
35大卫称基督为主(太22:41-46;路20:41-44)耶稣在殿里教训人,说:“经学家怎么说基督是大卫的子孙呢?
35Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida?
36大卫自己被圣灵感动却说:‘主对我的主说:你坐在我的右边,等我把你的仇敌放在你的脚下(有些抄本作“等我使你的仇敌作你的脚凳”)。’
36Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
37大卫自己既然称他为主,他又怎么会是大卫的子孙呢?”群众都喜欢听他。
37Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.
38耶稣叫人提防经学家(太23:1-7;路20:45-47)耶稣教导人的时候,说:“你们要提防经学家,他们喜欢穿长袍走来走去,喜欢人在市中心向他们问安,
38Ary hoy Izy amin'ny fampianarany: Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain'olona eny an-tsena,
39又喜欢会堂里的高位,筵席上的首座。
39ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny fanasana,
40他们吞没了寡妇的房产,又假装作冗长的祷告。这些人必受更重的刑罚。”
40ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
41穷寡妇的奉献(路21:1-4)耶稣面对银库坐着,看着大家怎样把钱投入库中。许多有钱的人投入很多的钱。
41Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
42后来,有一个穷寡妇来投入了两个小钱,就是一个铜钱。
42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy.[Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray = tokony ho variroaventy]
43耶稣把门徒叫过来,对他们说:“我实在告诉你们,这穷寡妇投入库里的,比众人投的更多。
43Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra.Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.
44因为他们都是把自己剩余的投入,这寡妇是自己不足,却把她一切所有的,就是全部养生的,都投进去了。”
44Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.