1骑驴进耶路撒冷(太21:1-9;路19:28-38;约12:12-15)
1Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy
2对他们说:“你们往对面的村子里去,一进去,就会看见一头小驴拴在那里,是没有人骑过的,把它解开牵来。
2ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento etỳ.
3如果有人问你们:‘为什么这样作?’你们就说:‘主需要它,并且很快会送还到这里来。’”
3Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin'izay izy.
4门徒去了,就发现一头小驴,拴在门外的街上,就把它解开。
4Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.
5站在那里的人有的问他们说:“你们为什么解它?”
5Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?
6门徒照着耶稣所说的话回答他们,那些人就让他们牵走了。
6Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain'i Jesosy taminy, dia navelan'ny olona handeha izy.
7门徒把小驴牵到耶稣那里,把自己的衣服搭在上面,耶稣就骑了上去。
7Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.
8许多人把衣服铺在路上,还有人从田野里砍了些树枝也铺在路上。
8Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.
9前行后随的人都喊着说:“‘和散那’,奉主名来的是应当称颂的!
9Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah!
10那将要来临的,我们祖先大卫的国是应当称颂的!高天之上当唱‘和散那’!”
10Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).
11耶稣到了耶路撒冷,进入圣殿,察看了一切,因为时候已经不早,就和十二门徒出城往伯大尼去。
11Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania.
12咒诅无花果树(太21:18-19)第二天他们从伯大尼出来,耶稣饿了。
12Ary nony ampitson'iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.
13他远远看见一棵长满了叶子的无花果树,就走过去,看看是否可以在树上找到什么。到了树下,除了叶子什么也找不着,因为这不是收无花果的时候。
13Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan'ny aviavy.
14耶稣对树说:“永远再没有人吃你的果子了!”他的门徒也听见了。
14Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.
15洁净圣殿(太21:12-17、20-22;路19:45-47;约2:13-16)他们来到耶路撒冷。耶稣进了圣殿,就把殿里作买卖的人赶走,又推倒找换银钱的人的桌子,和卖鸽子的人的凳子;
15Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
16不许人拿着器皿穿过圣殿。
16ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan'ny tempoly.
17他又教训众人说:“经上不是写着‘我的殿要称为万国祷告的殿’吗?你们竟把它弄成贼窝了。”
17Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
18祭司长和经学家听见了,就想办法怎样除掉耶稣,却又怕他,因为群众都希奇他的教训。
18Ary nahare izany ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
19到了晚上,他们就到城外去。
19Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.
20早晨,他们经过的时候,看见那棵无花果树连根都枯萎了。
20Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin'ny fakany ilay aviavy.
21彼得想起来就对耶稣说:“拉比,请看,你所咒诅的无花果树,已经枯萎了。”
21Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.
22耶稣回答他们:“你们对 神要有信心(“你们对 神要有信心”有些抄本作“如果你们对 神有信心”)。
22Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra.
23我实在告诉你们,无论什么人对这座山说‘移开,投到海里’,只要他心里不怀疑,相信他所说的一定能够成就,就必给他成就。
23Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
24所以我告诉你们,凡是你们祷告祈求的,只要相信能够得到,就必得到。
24Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
25你们站着祷告的时候,如果有谁得罪了你们,就该饶恕他,好使你们的天父也饶恕你们的过犯。”
25Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
26(有些抄本有第26节:“如果你们不饶恕人,你们的天父也必不饶恕你们的过犯。”)
26[Ampio hoe: 26 Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo]
27质问耶稣凭什么权柄作事(太21:23-27;路20:1-8)他们又来到耶路撒冷。耶稣在殿里行走的时候,祭司长、经学家和长老来到他跟前,
27Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
28问他:“你凭什么权柄作这些事?谁给你权柄作这些事?”
28ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?
29耶稣对他们说:“我要问你们一句话,你们回答了我,我就告诉你们我凭什么权柄作这些事。
29Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:
30约翰的洗礼是从天上来的,还是从人来的呢?你们回答我吧。”
30Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho.
31他们就彼此议论:“如果我们说‘是从天上来的’,他就会说‘那你们为什么不信他呢?’
31Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
32如果我们说‘是从人来的’......”他们害怕群众,因为众人都认为约翰的确是先知。
32Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken'ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
33于是他们回答耶稣:“我们不知道。”耶稣对他们说:“我也不告诉你们我凭什么权柄作这些事。”
33Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.