1 神配合的人不可分开(太19:1-9;路16:18)
1Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
2有法利赛人前来试探耶稣,问他:“丈夫可以休妻吗?”
2Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
3耶稣回答:“摩西吩咐你们的是什么呢?”
3Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?
4他们说:“摩西准许‘人写了休书就可以休妻’。”
4Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1).
5耶稣说:“因为你们的心硬,摩西才写这条例给你们。
5Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
6但从起初创造的时候, 神是‘造男造女’。
6fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27).
7‘因此人要离开父母,与妻子连合,
7Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny;
8二人成为一体了。’这样,他们不再是两个人,而是一体的了。
8ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
9所以 神所配合的,人不可分开。”
9Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.
10回到屋子里,门徒再提起这件事来问他。
10Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin'izany koa ny mpianatra.
11他对他们说:“谁休妻另娶,谁就是犯奸淫,得罪了妻子。
11Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.[Na: mijangajanga mandika ny lalàn'ny fanambadiana ny amin'ny vadiny]
12如果妻子弃夫另嫁,也是犯了奸淫。”
12Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
13为小孩子按手祝福(太19:13-15;路18:15-17)有人带着小孩子到耶稣跟前,要他抚摩他们;门徒却责备那些人。
13Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14耶稣看见了就生气,对门徒说:“让小孩子到我这里来,不要禁止他们,因为 神的国是属于这样的人的。
14Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
15我实在告诉你们,凡是不像小孩子一样接受 神的国的,绝对不能进去。”
15Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
16于是耶稣把小孩子抱起来,为他们按手祝福。
16Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
17有钱的人难进 神的国(太19:16-30;路18:18-30)耶稣又开始他的行程。那时,有一个人跑过来,跪在他面前,问他说:“良善的老师,我当作什么,才可以承受永生?”
17Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
18耶稣对他说:“你为什么称我是良善的?除了 神一位以外,没有良善的。
18Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
19诫命你是知道的:不可杀人,不可奸淫,不可偷盗,不可作假证供,不可欺诈,当孝敬父母。”
19Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17).
20他对耶稣说:“老师,这一切我从小都遵守了。”
20Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
21耶稣看着他,就爱他,对他说:“你还缺少一件:去变卖你所有的,分给穷人,就必定有财宝在天上,而且你要来跟从我。”
21Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
22那人听见这话,就变了脸色,忧忧愁愁地走了,因为他的财产很多。
22Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be.
23耶稣周围观看,对门徒说:“富有的人要进 神的国,是多么难哪!”
23Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
24门徒都希奇他的话,耶稣又对他们说:“孩子们哪,(有些抄本在此有“倚靠钱财的人”一句)要进 神的国,是多么困难!
24Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
25骆驼穿过针眼,比有钱的人进 神的国还容易呢!”
25Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
26门徒就更加惊奇,彼此说:“这样,谁可以得救呢?”
26Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena?[ Na: nifampilaza].
27耶稣看着他们,说:“在人不能,在 神却不然,因为在 神凡事都能。”
27Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.
28彼得对他说:“你看,我们已经舍弃了一切,而且来跟从你了。”
28Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
29耶稣说:“我实在告诉你们,人为着我和福音舍弃了房屋、弟兄、姊妹、母亲、父亲、儿女、田地,
29Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
30没有不在今生得百倍──就是房屋、弟兄、姊妹、母亲、儿女、田地,同时要受迫害──在来世还要得永生。
30ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
31然而许多在前的将要在后,在后的将要在前。”
31Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
32第三次预言受难及复活(太20:17-19;路18:31-33)在上耶路撒冷的路途中,耶稣走在前面,门徒希奇,跟从的人也害怕。耶稣又把十二门徒带到一边,把自己将要遭遇的事告诉他们,
32Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
33说:“我们现在上耶路撒冷去,人子要被交给祭司长和经学家,他们要定他的罪,并且把他交给外族人。
33ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa;
34他们要凌辱他,向他吐唾沫,鞭打他,杀害他,三天以后,他要复活。”
34ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
35不是要人服事而是要服事人(太20:20-28)西庇太的儿子雅各、约翰,来到耶稣跟前,对他说:“老师,我们无论向你求什么,愿你为我们作成。”
35Ary Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
36耶稣说:“要我为你们作什么?”
36Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
37他们说:“在你的荣耀里,让我们一个坐在你的右边,一个坐在你的左边。”
37Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny an-kavianao, any amin'ny voninahitrao.
38耶稣说:“你们不知道你们求的是什么。我喝的杯,你们能喝吗?我受的洗,你们能受吗?”
38Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
39他们说:“能。”耶稣说:“我喝的杯,你们固然要喝;我受的洗,你们也要受。
39Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
40只是坐在我的左右,不是我可以赐的,而是 神预备赐给谁,就赐给谁。”
40fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
41其他十个门徒听见了,就向雅各、约翰生气。
41Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'i Jakoba sy Jaona izy.
42耶稣把他们叫过来,对他们说:“你们知道各国都有被尊为元首的统治他们,也有官长管辖他们。
42Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
43但你们中间却不要这样;谁想在你们中间为大的,就要作你们的仆役,
43Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
44谁想在你们中间为首的,就要作大家的奴仆。
44Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon'izy rehetra.
45因为人子来,不是要受人服事,而是要服事人,并且要舍命,作许多人的赎价。”
45Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
46治好瞎眼的巴底买(太20:29-34;路18:35-43)他们进了耶利哥。耶稣、门徒和一大群人从耶利哥出来的时候,有一个瞎眼的人,是底买的儿子,名叫巴底买,坐在路旁讨饭。
46Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo.
47他听见是拿撒勒人耶稣,就喊叫,说:“大卫的子孙耶稣啊,可怜我吧!”
47Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!
48许多人斥责他,叫他不要出声;他却更加放声喊叫:“大卫的子孙啊,可怜我吧!”
48Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
49耶稣就站住,说:“把他叫过来。”他们就叫那瞎眼的人,对他说:“放心吧,起来,他叫你了。”
49Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
50他就丢下衣服,跳起来,走到耶稣那里。
50Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin'i Jesosy.
51耶稣对他说:“你要我为你作什么呢?”瞎眼的人对他说:“拉波尼,我要能看见。”
51Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.
52耶稣说:“去吧,你的信使你痊愈了。”他立刻看见了,就在路上跟随耶稣。
52Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.