1耶稣又对他们说:“我实在告诉你们,站在这里的,有人在没有尝过死味以前,必定看见 神的国带着能力降临。”
1Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.
2在山上改变形象(太17:1-13;路9:28-36)过了六天,耶稣带着彼得、雅各、约翰,领他们悄悄地上了高山,在他们面前改变了形象。
2Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
3他的衣服闪耀发光,极其洁白,地上漂布的没有能漂得这样白的。
3ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.
4又有以利亚和摩西向他们显现,并且跟耶稣谈话。
4Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.
5彼得对耶稣说:“拉比,我们在这里真好!我们可以搭三个帐棚,一个为你,一个为摩西,一个为以利亚。”
5Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
6彼得不知道该说什么才好,因为他们都非常害怕。
6Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
7有一片云彩来,笼罩他们,又有声音从云中出来:“这是我的爱子,你们要听他。”
7Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
8门徒立刻周围观看,再也看不见别的人,只见耶稣单独和他们在一起。
8Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
9他们下山的时候,耶稣吩咐他们,人子从死人中复活之前,不要把所看见的告诉人。
9Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10门徒把这句话记在心里,又彼此讨论从死人中复活是什么意思。
10Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.
11他们就问耶稣:“经学家为什么说以利亚必须先来呢?”
11Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.[Na: Nahoana no lazain']
12耶稣说:“以利亚固然要先来复兴一切,但圣经为什么又记载人子要受许多苦,被人藐视呢?
12Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
13其实我告诉你们,以利亚已经来了,他们却任意待他,正如经上指着他所说的。”
13Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
14治好癫痫病的小孩(太17:14-21;路9:37-42)他们回到门徒那里,看见一大群人围着他们,又有经学家和他们辩论。
14Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
15众人看见了耶稣,都很惊奇,就跑上前去向他问安。
15Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
16他问他们:“你们和他们辩论什么?”
16Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto?
17群众当中有一个回答他:“老师,我把我的儿子带到你这里来,他被哑巴鬼附着。
17Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
18无论在哪里,鬼抓住他,把他摔倒,他就口吐白沫,咬牙切齿,浑身僵硬。我请你的门徒把鬼赶出去,他们却办不到。”
18ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
19耶稣回答他们:“唉!不信的世代啊!我跟你们在一起到几时呢?我要忍受你们到几时呢?把他带到我这里来吧。”
19Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.
20他们就把孩子带到他跟前。那鬼一见耶稣,就立刻使孩子抽了一阵疯,倒在地上,流着唾沫打滚。
20Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
21耶稣问他父亲:“这事临到他有多久了?”他说:“从小就是这样。
21Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
22鬼常常把他扔在火里水中,要毁灭他。如果你能作什么,求你可怜我们,帮助我们。”
22Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.
23耶稣对他说:“‘如果你能’(“如果你能”有些抄本作“你若能信”)──对于信的人,什么都能!”
23Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.
24孩子的父亲立刻喊着说:“我信!但我的信心不够,求你帮助我。”
24Ary niaraka tamin'izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso].
25耶稣看见群众围拢了来,就斥责那污鬼说:“聋哑的鬼,我吩咐你从他身上出来,不要再进去。”
25Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
26那鬼大声喊叫,使孩子重重地抽了一阵疯,就出来了。孩子好像死了一样,所以许多人都说:“他死了!”
26Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty.
27但耶稣拉着他的手,扶他起来,他就站起来了。
27Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
28耶稣进了屋子,门徒私下问他说:“为什么我们不能把那污鬼赶出去呢?”
28Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay tsy nahavoaka azy.[Na:Nahoana izahay no]
29耶稣对他们说:“这一类的鬼,非用祷告是赶不出去的。”
29Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana ihany.[Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].
30第二次预言受难及复活(太17:22-23;路9:43-45)他们从那里出去,经过加利利,耶稣不想让人知道,
30Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
31因为他正在教导门徒。他又对他们说:“人子将要被交在人的手里,他们要杀害他,死后三天他要复活。”
31Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
32门徒不明白这话,又不敢问他。
32Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.
33门徒争论谁最大(太18:1-5;路9:46-48)他们来到迦百农。在屋里的时候,耶稣问他们:“你们在路上争论什么?”
33Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
34门徒一声不响,因为他们在路上彼此争论谁为大。
34Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra.
35耶稣坐下,叫十二门徒来,对他们说:“谁想为首,就该作众人中最末的一个,作众人的仆人。”
35Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.
36于是拉过一个小孩子来,叫他站在门徒中间,又把他抱起来,对他们说:
36Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
37“凡因我的名接待一个这样的小孩子的,就是接待我;凡接待我的,不是接待我,而是接待那差我来的。”
37Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
38反对与赞成(路9:49-50)约翰对耶稣说:“老师,我们看见有一个人奉你的名赶鬼,就禁止他,因为他不跟从我们。”
38Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
39耶稣说:“不要禁止他,因为没有人能奉我的名行了神迹,又立刻毁谤我。
39Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
40不反对我们的,就是赞成我们的。
40Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
41无论谁因你们有属基督的名分,给你们一杯水喝的,我实在告诉你们,他决不会失掉赏赐。
41Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
42坚拒犯罪(太18:6-9;路17:1-2)“如果有人使一个信我的小弟兄犯罪,倒不如在他的颈项上拴一块大磨石投在海里。
42Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
43如果你的一只手使你犯罪,就把它砍下来。你身体残废进永生,总比有两只手下到地狱,进入那不灭的火里好得多。
43Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [ Gr. Gehena]
44(有些抄本有第44节:“在那里虫是不死的,火是不灭的。”)
44[ Ampio hoe: any amin'ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
45如果你的一只脚使你犯罪,就把它砍下来。你瘸腿进永生,总比你有两只脚而被丢在地狱里好得多。
45Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo.
46(有些抄本有第46节:“在那里虫是不死的,火是不灭的。”)
46[Ampio hoe: any amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
47如果你的一只眼睛使你犯罪,就把它挖出来。你只有一只眼睛进 神的国,总比你有两只眼睛而被丢在地狱里好得多,
47Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo;
48在那里虫是不死的,火是不灭的。
48any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
49每一个人必被火当盐来腌。(有些抄本在此有“各祭物必用盐来腌”一句;也有些抄本只有附注的一句,而没有正文的一句)
49Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra.[Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny fanasina]Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.
50盐是好的,但如果失了味,可以用什么使它再咸呢?你们自己里面应当有盐,彼此和睦。”
50Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.