1给四千人吃饱的神迹(太15:32-39)
1Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
2“我怜悯这一群人,因为他们和我在一起已经有三天,没有什么吃的了。
2Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
3如果我叫他们散开,饿着肚子回家去,他们会在路上晕倒,因为有人是从很远的地方来的。”
3koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
4门徒回答:“在这旷野地方,从哪里能找食物叫这些人吃饱呢?”
4Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
5他问他们:“你们有多少饼?”他们说:“七个。”
5Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
6耶稣吩咐群众坐在地上;拿起那七个饼,祝谢了,擘开递给门徒,叫他们摆开;门徒就摆在众人面前,
6Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany.
7他们还有几条小鱼,耶稣祝了福,就吩咐把这些也摆开。
7Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
8众人都吃了,并吃饱了。他们把剩下的零碎收拾起来,装满了七个大篮子。
8Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
9当时人数约有四千。耶稣解散了群众,
9Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
10就立刻和门徒上了船,来到大玛努他地区。
10Ary niaraka tamin'izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin'ny mpianany ka tonga tany amin'ny fari-tanin'i Dalmanota.
11求耶稣显神迹(太16:1-4)法利赛人出来,跟耶稣辩论;他们想试探他,求他显个从天上来的神迹。
11Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
12耶稣灵里深深地叹息,说:“这世代为什么总是寻求神迹?我实在告诉你们,决不会有神迹显给这个世代的!”
12Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13于是他离开他们,又上船往对岸去了。
13Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
14提防法利赛人和希律的酵(太16:5-12)门徒忘了带饼,船上除了一个饼,身边没有别的了。
14Ary tsy tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
15耶稣嘱咐他们说:“你们要小心,提防法利赛人的酵和希律的酵!”
15Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.
16门徒彼此议论说:“这是因为我们没有饼吧?”
16Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
17耶稣知道了,就说:“为什么议论没有饼这件事呢?你们还不知道,还不明白吗?你们的心还是这么迟钝吗?
17Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
18你们有眼不能看,有耳不能听吗?你们不记得吗?
18Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
19我擘开那五个饼给五千人吃,你们收拾的零碎装满了几个篮子呢?”他们说:“十二个。”
19Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo.
20“那七个饼分给四千人吃,你们收拾的零碎装满了几个大篮子呢?”他们说:“七个。”
20Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
21耶稣说:“你们还不明白吗?”
21Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
22治好伯赛大瞎眼的人后来他们到了伯赛大,有人带了一个瞎眼的人到他跟前,求耶稣摸他。
22Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
23耶稣拉着他的手,领他到村外,吐唾沫在他的眼睛上,又用双手按在他的身上,问他:“你看见什么没有?”
23Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
24他往上一看,说:“我看见人了!看见他们好像树走来走去。”
24Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
25于是耶稣再按手在他的眼睛上,他定睛一看,就复原了,样样都看得清楚了。
25Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
26耶稣叫他回家去,说:“连这村子你也不要进去。”
26Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
27彼得承认耶稣是基督(太16:13-16、20;路9:18-21)耶稣和门徒出去,要到该撒利亚.腓立比附近的村庄。在路上他问门徒说:“人说我是谁?”
27Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
28他们回答:“有人说是施洗的约翰;有人说是以利亚;还有人说是先知里的一位。”
28Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin'ny mpaminany.
29他又问他们说:“那么你们呢?你们说我是谁?”彼得回答:“你就是基督。”
29Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.
30耶稣郑重地嘱咐他们,不要把他的事告诉人。
30Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona.
31耶稣预言受难及复活(太16:21-28;路9:22-27)于是他教导他们,人子必须受许多苦,被长老、祭司长和经学家弃绝、杀害,三天后复活。
31Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
32耶稣坦白地说了这话,彼得就把他拉到一边,责怪他。
32Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
33耶稣转过身来,望着门徒,斥责彼得说:“撒但,退到我后面去!因为你不思念 神的事,只思念人的事。”
33Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
34于是把众人和门徒都叫过来,对他们说:“如果有人愿意跟从我,就应当舍己,背起他的十字架来跟从我。
34Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
35凡是想救自己生命的,必丧掉生命;但为我和福音牺牲生命的,必救了生命。
35Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
36人就是赚得全世界,却赔上自己的生命,有什么好处呢?
36Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
37人还能用什么换回自己的生命呢?
37Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.
38在淫乱罪恶的世代,凡把我和我的道当作可耻的,人子在他父的荣耀里,和圣天使一起降临的时候,也必把他当作可耻的。”
38Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.