1不可因传统废弃 神的诫命(太15:1-20)
1Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
2他们看见他的门徒有人用不洁的手,就是没有洗过的手吃饭,
2ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
3(原来法利赛人和所有的犹太人都拘守古人的传统,如果不认真洗手,就不吃东西;
3(Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.[Gr. sasàny amin'ny totohondry]
4从街市回来,不先洗手,也不吃东西,还有许多别的传统,他们都沿袭拘守,例如洗杯、洗罐、洗铜器等等。)
4Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin'izay fanaka varahina.) [ Gr. sekstaria] [ ampio hoe: ary farafara]
5法利赛人和经学家问耶稣:“你的门徒为什么不遵行古人的传统,用不洁的手吃饭呢?”
5Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tanana tsy misasa izy?
6耶稣对他们说:“以赛亚指着你们这班伪君子所说的预言是对的,经上记着:‘这人民用嘴唇尊敬我,心却远离我;
6Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
7他们把人的规条当作道理去教导人,所以拜我也是徒然。’
7Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13).
8你们拘守着人的传统,却离弃了 神的诫命。”
8Mahafoy ny didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.
9耶稣又对他们说:“你们为了坚守自己的传统,而巧妙地把 神的诫命拒绝了。
9Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
10因为摩西说:‘当孝敬父母’,又说:‘咒骂父母的,必被处死。’
10Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
11你们倒说:‘人对父母说,我应该给你的供奉,已经作了各耳板’(各耳板意思是奉给 神的供物),
11Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
12你们就不让那人再为父母作什么。
12dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy,[Na: dia voafehin'ny voadiny izy. Ary dia etc]
13这样,你们借着所领受的传统,把 神的话废弃了。你们还作了许多这一类的事。”
13ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.
14于是耶稣又把群众叫过来,对他们说:“你们大家都要听我说,也要明白:
14Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
15从外面进去的,不能使人污秽,从里面出来的,才能使人污秽。”
15Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. [Ampio hoe:]
16(有些抄本有第16节:“有耳可听的,就应该听。”)
16[Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino]
17耶稣离开群众,进了屋子,门徒就来问他这比喻的意思。
17Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany.
18他对他们说:“连你们也是这样不明白吗?难道不知道从外面进去的,不能使人污秽吗?
18Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
19因为不是进到他的心,而是进到他的肚腹,再排泄到外面去。”(他这样说是表示各样食物都是洁净的。)
19satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
20接着他又说:“从人里面出来的,才会使人污秽。
20Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy.
21因为从里面,就是从人的心里,发出恶念、淫乱、偷盗、凶杀、
21Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,
22奸淫、贪心、邪恶、诡诈、放荡、嫉妒、毁谤、骄傲、愚妄;
22ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana:[Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3]
23这一切恶事,是从人里面出来的,都能使人污秽。”
23izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
24叙利亚妇人的信心(太15:21-28)耶稣从那里动身到推罗(有些抄本在此有“和西顿”)境内去。进了一所房子,本来不想让人知道,却隐藏不住。
24Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
25有一个女人,她的小女儿被污灵附着,她听见了耶稣的事,就来俯伏在他脚前。
25Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.
26这女人是外族人,属于叙利亚的腓尼基族。她求耶稣把鬼从她女儿身上赶出去。
26Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy.
27耶稣对她说:“应该先让儿女吃饱。拿儿女的饼去丢给小狗吃是不好的。”
27Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
28那女人回答他:“主啊,是的,不过小狗在桌子底下,也可以吃孩子们掉下来的碎渣。”
28Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany.
29耶稣对她说:“就凭这句话,你回去吧,鬼已经从你女儿身上出去了。”
29Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia.
30她回到家里,看见小孩子躺在床上,鬼已经出去了。
30Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
31治好又聋又哑的人(太15:29-31)耶稣从推罗境内出去,经过西顿,回到低加波利地区的加利利海。
31Ary Jesosy niala indray tamin'ny sisin-tanin'i Tyro, dia namaky an'i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia.
32有人带着一个又聋又哑的人到他那里,求耶稣按手在他身上。
32Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana.
33耶稣把他从人群中带到一边,用指头探他的耳朵,吐唾沫抹他的舌头,
33Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
34然后望着天,长长地叹了一口气,对他说:“以法大!”意思是“开了吧”。
34ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
35那人的耳朵就开了,舌头也松了,说话也准确了。
35Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.
36耶稣嘱咐他们不要告诉人。但他越是嘱咐,他们却越发传扬。
36Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.
37众人非常惊讶说:“他所作的一切事都好极了;他竟然使聋子听见,又使哑巴说话。”
37Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.