1治好瘫子(太9:1-8;路5:18-26)
1Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
2许多人就都来聚集,甚至连门前都没有地方了,耶稣就对他们讲道。
2ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
3那时有人把一个瘫子带到耶稣那里,是由四个人抬来的。
3Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy.
4因为人挤,不能带到他面前,就对着耶稣所在的地方,拆去房顶;拆通了,就把瘫子连人带褥子缒了下去。
4Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa.
5耶稣看见他们的信心,就对瘫子说:“孩子,你的罪赦了。”
5Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
6当时有几个经学家也坐在那里,心里议论说:
6Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
7“这个人为什么这样说话?他说僭妄的话了。除了 神一位以外,谁能赦罪呢?”
7Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [Gr. manao blasfemia, izahao Mat.9.3]
8耶稣心里立刻知道他们这样议论,就对他们说:“你们心里为什么议论这事?
8Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
9对瘫子说‘你的罪赦了’,或说‘起来,拿着你的褥子走’,哪一样容易呢?
9Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?
10然而为了要你们知道人子在地上有赦罪的权柄,(他就对瘫子说:)
10Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa):
11我吩咐你,起来,拿起你的褥子,回家去吧。”
11Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
12那人就起来,立刻拿着褥子,当众出去了。众人都非常惊奇,颂赞 神,说:“我们从来没有见过这样的事。”
12Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
13呼召利未(太9:9-13;路5:27-32)耶稣又出去,到了加利利海边;众人都到他面前来,他就教导他们。
13Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy.
14他往前走的时候,看见亚勒腓的儿子利未坐在税关那里,就对他说:“来跟从我!”他就起来跟从了耶稣。
14Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.[Izahao Mat. 9.9]
15后来耶稣在利未家里吃饭,有很多税吏和罪人也来与他和门徒一起吃饭;因为这样的人很多,并且他们已经跟随了耶稣。
15Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.
16法利赛派的经学家,看见耶稣与罪人和税吏一起吃饭,就对耶稣的门徒说:“他跟税吏和罪人一起吃饭吗?”
16Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy![Na:Ary ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo]
17耶稣听见了,就对他们说:“健康的人不需要医生,有病的人才需要;我来不是要召义人,而是要召罪人。”
17Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
18新旧的比喻(太9:14-17;路5:33-38)约翰的门徒和法利赛人正在禁食,有人来问耶稣说:“为什么约翰的门徒和法利赛人的门徒常常禁食,你的门徒却不禁食呢?”
18Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
19耶稣回答:“新郎跟宾客在一起的时候,宾客怎能禁食呢?只要新郎还在,就不能禁食。
19Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.
20但日子到了,新郎要被取去,离开他们,那一天他们就要禁食了。
20Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany hifady izy.
21没有人会把一块新布缝在旧衣服上,如果这样,新的布就会把旧衣服扯破,裂开的地方就更大了。
21Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin'ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.
22也没有人会把新酒装在旧皮袋里,如果这样,酒就会把皮袋胀破,酒和皮袋都损坏了;新酒总该装在新皮袋里。”
22Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.
23安息日的主(太12:1-8;路6:1-5)有一次,在安息日,耶稣从麦田经过,他的门徒一面走路,一面摘麦穗。
23Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.
24法利赛人对耶稣说:“你看,他们为什么作安息日不可作的事?”
24Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata?
25耶稣对他们说:“大卫和跟他一起的人在饥饿缺食的时候所作的,你们没有念过吗?
25Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy,
26他不是在亚比亚他作大祭司的时候,进了 神的殿,吃了除祭司以外谁都不可以吃的陈设饼,而且还给跟他在一起的人吃吗?”
26fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
27耶稣又告诉他们:“安息日是为人设立的,人并不是为安息日设立的。
27Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata.ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.
28这样,人子也是安息日的主。”
28ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.