聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Mark

3

1治好手枯的人(太12:9-14;路6:6-11)
1Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo.[Gr. efa maina, na malazo]
2众人窥探他会不会在安息日医治那个人,好去控告他。
2Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.
3耶稣对那一只手枯干了的人说:“起来,站在当中!”
3Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
4又对他们说:“在安息日哪一样是可以作的呢:作好事还是坏事?救命还是害命?”他们一声不响。
4Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
5耶稣怒目环视他们,因他们的心刚硬而难过,就对那人说:“伸出手来!”他把手一伸,手就复原了。
5Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
6法利赛人出来,立刻和希律党人商量怎样对付耶稣,好除掉他。
6Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy.
7许多人到海边找耶稣(太12:15-16;路6:17-19)耶稣和门徒退到海边去,一大群从加利利来的人跟着他;
7Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
8还有许多人听见他所作的一切事,就从犹太、耶路撒冷、以土迈、约旦河外和推罗、西顿一带地方来到他跟前。
8sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
9因为人多,耶稣就吩咐门徒为他预备一只小船,免得众人拥挤他。
9Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
10他医好了许多人,所以凡有病的都挤过来要摸他。
10Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.[Gr. kapoka]
11污灵每次看到他,就仆倒在他面前,大声喊叫说:“你是 神的儿子!”
11Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.
12耶稣再三严厉地吩咐他们,不要把他的身分张扬出去。
12Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
13选立十二使徒(太10:1-4;路6:12-16。参徒1:13)耶稣上了山,呼召自己所要的人,他们就来了。
13Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
14他选立了十二个人,称他们为使徒(有些抄本无“称他们为使徒”一句),要他们跟自己常在一起,好差遣他们去传道,
14Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
15又有权柄赶鬼。
15sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
16他选立的十二个人是:西门(耶稣给他起名叫彼得),
16Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
17西庇太的儿子雅各,和雅各的弟弟约翰(耶稣给他们二人起名叫半尼其,就是“雷子”的意思),
17ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;
18安得烈、腓力、巴多罗迈、马太、多马、亚勒腓的儿子雅各、达太、激进派的西门,
18ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana[Na: Zelota, izahao Lio.6.15]
19以及加略人犹大,就是出卖耶稣的那个人。
19ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
20亵渎圣灵的罪不得赦免(太12:22-32;路11:14-23,12:10)耶稣进了屋子,群众又聚了来,以致他们连饭都不能吃,
20Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
21那些和他在一起的人听见了,就出来抓住他,因为他们说他癫狂了。
21Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
22从耶路撒冷下来的经学家说:“他有别西卜附在身上!”又说:“他靠着鬼王赶鬼。”
22Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
23耶稣把他们叫来,用比喻对他们说:“撒但怎能赶逐撒但呢?
23Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?
24一国若自相纷争,那国就站立不住;
24Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
25一家若自相纷争,那家就站立不住。
25Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
26如果撒但自相攻打纷争,不但站立不住,而且还要灭亡。
26Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
27谁都不能进入壮汉的家,抢夺他的财物,除非先把壮汉捆绑起来,才可以抢劫他的家。
27Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
28我实在告诉你们,世人的一切罪和一切亵渎的话,都可以得到赦免;
28Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;[Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3]
29但亵渎圣灵的,就永世不得赦免,他还要担当罪恶到永远。”
29fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
30耶稣说这话,是因为他们说他有污灵附在身上。
30satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
31谁是耶稣的母亲和弟兄(太12:46-50;路8:19-21)耶稣的母亲和弟弟来了,站在外面,传话给他,叫他出来。
31Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
32有许多人正围坐在耶稣身边,他们告诉他:“你看,你的母亲和弟弟(有些抄本在此有“妹妹”一词)在外面找你。”
32Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
33耶稣回答他们:“谁是我的母亲,我的弟兄呢?”
33Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
34于是四面观看那些围坐的人,说:“你们看,我的母亲!我的弟兄!
34Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
35凡遵行 神旨意的,就是我的弟兄姊妹和母亲了。”
35Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.