聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Mark

4

1撒种的比喻(太13:1-9;路8:4-8)
1Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
2他用比喻教训他们许多事,在教训中他说:
2Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe:
3“你们听着!有一个撒种的出去撒种,
3Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
4撒的时候,有的落在路旁,小鸟飞来就吃掉了。
4Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
5有的落在泥土不多的石地上,因为泥土不深,很快就长起来。
5Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
6但太阳一出来,就把它晒干,又因为没有根就枯萎了。
6Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7有的落在荆棘里,荆棘长起来,把它挤住,它就结不出果实来。
7Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
8有的落在好土里,就生长繁茂,结出果实,有三十倍的、有六十倍的、有一百倍的。”
8Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
9耶稣又说:“有耳可听的,就应当听。”
9Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
10用比喻的目的(太13:10-17;路8:9-10)耶稣独自一人的时候,那些经常跟着他的人和十二门徒,来问这些比喻的意义。
10Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.
11耶稣对他们说:“ 神的国的奥秘,只给你们知道,但对于外人,一切都用比喻,
11Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;
12叫他们‘看是看见了,却不领悟,听是听见了,却不明白,免得他们回转过来,得到赦免。’”
12mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).
13解释撒种的比喻(太13:18-23;路8:11-15)耶稣又对他们说:“你们不明白这个比喻,怎能明白一切比喻呢?
13Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
14撒种的人所撒的就是道。
14Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
15那撒在路旁的,就是人听了道,撒但立刻来,把撒在他心里的道夺去。
15Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
16照样,那撒在石地上的,就是人听了道,立刻欢欢喜喜地接受了;
16Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;
17可是他们里面没有根,只是暂时的;一旦为道遭遇患难,受到迫害,就立刻跌倒了。
17nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.
18那撒在荆棘里的,是指另一些人;他们听了道,
18Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
19然而今世的忧虑、财富的迷惑,以及种种的欲望,接连进来,把道挤住,就结不出果实来。
19fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.
20那撒在好土里的,就是人听了道,接受了,并且结出果实,有三十倍的、有六十倍的、有一百倍的。”
20Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
21隐藏的事终必显露(路8:16-18)耶稣又对他们说:“灯难道是拿来放在量器底下或床底下的吗?它不是该放在灯台上吗?
21Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[Gr. avy]
22因为没有什么隐藏的事不被显明出来,没有什么掩盖的事不被揭露的。
22Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
23有耳可听的,就应当听。”
23Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
24耶稣又对他们说:“要留心你们所听到的,你们用什么尺度量给人, 神也要用什么尺度量给你们,并且要超过尺度给你们。
24Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
25因为那有的,还要给他;那没有的,就算他有什么也要拿去。”
25Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
26种子发芽生长的比喻耶稣说:“ 神的国好像人在地里撒种,
26Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany
27他夜里睡觉,白天起来,种子发芽生长,自己也不知道怎么会这样的。
27ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
28地生五谷是自然的,先长苗,后吐穗,最后穗上结满了子粒。
28Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
29庄稼熟了,就派人用镰刀割下,因为收成的时候到了。”
29Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano.
30芥菜种的比喻(太13:31-35;路13:18-19)又说:“我们要把 神的国比作什么呢?我们可以用什么比喻来形容它呢?
30Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
31它好像一粒芥菜种,刚种下去的时候,比地上的一切种子都小,
31Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;
32种下以后,生长起来,却比一切蔬菜都大,长出大枝子,甚至天空的飞鸟都可以在它的荫下搭窝。”
32Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
33耶稣用许多这样的比喻,照着他们所能听懂的,向他们讲道;
33Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
34不用比喻,就不对他们讲。只有单独和自己的门徒在一起的时候,才把一切解释给他们听。
34Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.
35平静风浪(太8:18、23-27;路8:22-25)当天黄昏,耶稣对门徒说:“我们渡到海那边去吧。”
35Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
36门徒离开群众,耶稣已经在船上,他们就载他过去,也有别的船和他同去。
36Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
37忽然起了狂风,波浪不断地打进船来,舱里积满了水。
37Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.
38耶稣却在船尾靠着枕头睡着了。门徒把他叫醒,对他说:“老师,我们要死了,你不管吗?”
38Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
39耶稣起来,斥责了风,又对海说:“不要作声!安静吧!”风就停止,大大地平静了。
39Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
40然后对他们说:“为什么这样胆怯呢?你们怎么没有信心呢?”
40Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
41门徒非常惧怕,彼此说:“这到底是谁,连风和海都听从他?”
41Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?