聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Mark

5

1治好鬼附的格拉森人(太8:28-34;路8:26-39)
1Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo.
2耶稣一下船,就有一个被污灵附着的人,从墓地里迎面而来。
2Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy,
3那人经常住在坟墓中间,从来没有人能绑住他,甚至用锁链都不能。
3fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza.
4曾经有很多次,人用脚镣和锁链捆绑他,锁链却被他挣断,脚镣也被他弄碎,始终没有人能制伏他。
4Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
5他昼夜在坟墓里和山野间喊叫,又用石头砍自己。
5Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato.
6他远远地看见耶稣,就跑过去拜他,
6Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
7大声呼叫,说:“至高 神的儿子耶稣,我跟你有什么关系呢?我指着 神恳求你,不要叫我受苦。”
7sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
8因为当时耶稣吩咐他:“你这污灵,从这人身上出来!”
8satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
9耶稣问他:“你叫什么名字?”他回答:“我名叫‘群’,因为我们众多。”
9Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
10他再三央求耶稣,不要把他们从那地方赶走。
10Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany.
11附近的山坡上有一大群猪正在吃东西;
11Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra.
12污灵求耶稣说:“打发我们到猪群那里附在猪身上吧。”
12Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.
13耶稣准了他们。污灵就出来,进到猪群里去,于是那群猪闯下山崖,掉在海里淹死了,猪的数目约有两千。
13Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin'ny ranomasina izy.[Gr. kenda]
14放猪的人都逃跑了,到城里和各乡村去报告,大家就来看发生了什么事。
14Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
15他们来到耶稣跟前,看见那被鬼附过的人,就是曾被名叫‘群’的鬼附过的人,坐在那里,穿上了衣服,神志清醒,他们就害怕。
15ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
16看见的人把被鬼附过的人所遭遇的和那群猪的事,告诉了他们。
16Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa.
17他们就要求耶稣离开他们的地区。
17Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.
18耶稣上船的时候,那被鬼附过的人来求他,要和他在一起。
18Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
19耶稣不许,却对他说:“你回家到你的亲属那里去,把主为你作了多么大的事,并他怎样怜悯你,都告诉他们。”
19Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
20那人就走了,开始在低加波利传讲耶稣为他所作的大事,众人都希奇。
20Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
21治好血漏病的女人(太9:18-26;路8:40-56)耶稣又坐船渡到那边;还在海边的时候,有一大群人向他围拢过来。
21Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
22当时来了一位会堂的主管,名叫叶鲁。他一看见耶稣,就俯伏在他脚前,
22Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony
23迫切地求他说:“我的小女儿快要死了,请你来按手在她身上,把她救活。”
23ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.[Gr. voavonjy]
24耶稣就和他一起去了。一大群人跟着他,拥挤着他。
24Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
25有一个女人,患了十二年的血漏病,
25Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin'ny folo taona [Gr. narary nandeha rà]
26在好些医生手中受了许多痛苦,又花尽了她一切所有的,不仅毫无起色,反而更加沉重。
26sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
27她听见耶稣的事,就从后面来杂在人群中间,摸耶稣的衣服。
27koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
28因为她说:“只要摸到他的衣服,我就必痊愈。”
28Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.[Gr. voavonjy]
29于是她血漏的源头立刻干了,她在身体上感觉到病已经得了医治。
29Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.[Gr. fandehanan'ny ràny]
30耶稣自己立刻觉得有能力从他里面出去,就转过身来对群众说:“谁摸了我的衣服?”
30Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
31门徒对他说:“你看,这么多人拥挤你,你还问‘谁摸我’吗?”
31Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
32耶稣周围观看,要看作这事的女人。
32Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
33那女人知道在她身上所成就的事,就恐惧战兢地前来向耶稣俯伏,把实情全告诉了他。
33Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
34耶稣对她说:“女儿,你的信使你痊愈了,平安地回去吧,你的病已经好了。”
34Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.[Gr. namonjy]
35使女孩复活耶稣还在说话的时候,有人从会堂主管的家里来说:“你的女儿已经死了,何必还劳动老师呢?”
35Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
36耶稣听见所说的话,就对会堂主管说:“不要怕!只要信!”
36Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[Na: Ary nony ren'i Jesosy ny teny nataony, dia]
37于是他不许别人跟他一起去,只带了彼得、雅各和雅各的弟弟约翰。
37Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.
38他们来到会堂主管的家,耶稣看见许多人哭泣哀号,一片混乱,
38Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
39就走进去,对众人说:“为什么大哭大嚷呢?孩子不是死了,是睡着了。”
39Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
40众人就嘲笑他。耶稣把众人都赶出去,带着孩子的父母和跟随他的门徒,进入孩子所在的房间。
40Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy.
41耶稣拉着孩子的手,对她说:“大利大,古米!”翻译出来就是:“小女孩,我吩咐你起来!”
41Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
42那女孩子就立刻起来行走;那时她已经十二岁了。众人就非常惊奇。
42Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona.Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
43耶稣再三嘱咐他们,不要让人知道这事,又吩咐给她东西吃。
43Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.