1差遣十二使徒(可3:13-19,6:8-13;路6:12-16,9:1-5。参路10:4-12;徒1:13)
1Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
2十二使徒的名字如下:为首的是西门(又名彼得),西门的弟弟安得烈,西庇太的儿子雅各,雅各的弟弟约翰,
2Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
3腓力,巴多罗迈,多马,税吏马太,亚勒腓的儿子雅各,达太,
3Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,
4激进派的西门,和出卖耶稣的加略人犹大。
4sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. [ Na: Zelota, izahao Lio.6. 15]
5耶稣差遣这十二个人出去,并且嘱咐他们:“外族人的路,你们不要走,撒玛利亚人的城,你们也不要进;
5Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,
6却要到以色列家的迷羊那里去。
6fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.
7你们要一边走一边宣扬说:‘天国近了。’
7Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
8要医治有病的,叫死人复活,洁净患痲风的,赶出污鬼。你们白白地得来,也应当白白地给人。
8Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9你们腰袋里不要带金、银、铜钱;
9Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,
10路上不要带行囊,也不要带两件衣裳,不要带鞋或手杖,因为作工的理当得到供应。
10na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.
11你们无论进哪一座城哪一个村,都要打听谁配接待你们,就住在那里,直到离去。
11Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.
12到他家里的时候,要向他们问安;
12Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.
13如果这家是配得的,你们的平安就必临到他们;如果这家不配得,你们的平安仍归你们。
13Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.
14如果有人不接待你们,不听你们的话,你们离开那一家那一城的时候,就要把脚上的灰尘跺下去。
14Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.
15我实在告诉你们,在审判的日子,所多玛和蛾摩拉所受的,比那城还轻呢。
15Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany.
16使徒会遭受迫害(可13:11-13;路21:12-17)“现在,我差派你们出去,好像羊进到狼群中间;所以你们要像蛇一样机警,像鸽子一样纯洁。
16Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. [ lopa] [ Gr. aoka ho tsotra]
17你们要小心,因为有人要把你们送交公议会,并要在会堂里鞭打你们;
17Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo;
18你们为我的缘故,也要被带到统治者和君王面前,向他们和外族人作见证。
18ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.
19你们被捕的时候,用不着担心说什么和怎么说,因为那时你们必得着当说的话;
19Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.
20因为说话的不是你们,而是你们的父的灵,是他在你们里面说话。
20Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
21弟兄要出卖弟兄,父亲要出卖儿子,甚至把他们置于死地;儿女要悖逆父母,害死他们。
21Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
22你们为我的名,要被众人恨恶,然而坚忍到底的必然得救。
22Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
23如果有人在这城迫害你们,就逃到别的城去。我实在告诉你们,你们还没有走遍以色列的各城,人子就来到了。
23Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.
24“学生不能胜过老师,奴仆也不能胜过主人。
24Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.
25学生若能像老师一样,奴仆若能像主人一样,也就够了。如果一家之主也被称为别西卜(“别西卜”是鬼王的名字),何况他的家人呢?
25Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?
26应该怕谁(路12:2-9)“所以不要怕他们。没有什么掩盖的事不被揭露,也没有什么秘密是人不知道的。
26Koa amin'izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
27我在暗处告诉你们的,你们要在明处讲出来;你们听见的耳语,要在房顶上宣扬出来。
27Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.
28那些杀身体却不能杀灵魂的,不要怕他们;倒要怕那位能把灵魂和身体都投入地狱里的。
28Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.[Gr. gehena]
29两只麻雀不是卖一个大钱吗?但你们的父若不许可,一只也不会掉在地上。
29Tsy varidimiventy ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria]
30甚至你们的头发都一一数过了。
30Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
31所以不要怕,你们比许多麻雀贵重得多呢。
31Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
32“凡在人面前承认我的,我在我天父面前也要承认他;
32Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
33在人面前不认我的,我在我天父面前也要不认他。
33Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
34作门徒的代价(路12:51-53)“你们不要以为我来了,是要给地上带来和平;我并没有带来和平,却带来刀剑,
34Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
35因为我来了是要叫人分裂:人与父亲作对,女儿与母亲作对,媳妇与婆婆作对,
35Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;
36人的仇敌就是自己的家人。
36ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).
37爱父母过于爱我的,不配作属我的;爱儿女过于爱我的,不配作属我的;
37Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
38凡不背起自己的十字架来跟从我的,也不配作属我的。
38Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.[Gr. mandray]
39顾惜自己生命的,必要丧掉生命;但为我牺牲生命的,必要得着生命。
39Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
40得赏赐(可9:41)“接待你们的,就是接待我;接待我的,就是接待那差我来的。
40Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.
41因先知的名接待先知的,必得先知所得的赏赐;因义人的名接待义人的,必得义人所得的赏赐。
41Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
42无论谁因门徒的名,只把一杯凉水给这些微不足道的人中的一个喝,我实在告诉你们,他决不会得不到他的赏赐。”
42Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.