1约翰派门徒去见耶稣(路7:18-23)
1Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan'ny olona.
2约翰在监狱里听见基督所作的,就派门徒去问他:
2Ary rehefa ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy
3“你就是那位要来的,还是我们要等别人呢?”
3hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
4耶稣回答他们:“你们回去,把听见和看见的都告诉约翰,
4Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:
5就是瞎的可以看见,瘸的可以走路,患痲风的得到洁净,聋的可以听见,死人复活,穷人有福音听。
5Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
6那不被我绊倒的,就有福了。”
6Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
7耶稣论到约翰(路7:24-35)他们走了之后,耶稣对群众讲起约翰来,说:“你们到旷野去,是要看什么?被风吹动的芦苇吗?
7Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
8你们出去到底要看什么?身穿华丽衣裳的人吗?那些穿着华丽衣裳的人,是在王宫里的。
8Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[Gr. malemy]
9那么,你们出去要看什么?先知吗?我告诉你们,是的。他比先知重要得多了。
9Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
10经上所记:‘看哪,我差遣我的使者在你面前,他必在你前头预备你的道路。’这句话是指着他说的。
10Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
11我实在告诉你们,妇人所生的,没有一个比施洗的约翰更大;然而天国里最小的比他还大。
11Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.
12从施洗的约翰的时候直到现在,天国不断遭受猛烈的攻击,强暴的人企图把它夺去。
12Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
13所有的先知和律法,直到约翰为止,都说了预言。
13Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.
14如果你们肯接受,约翰就是那要来的以利亚。
14Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
15有耳的,就应当听。
15Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
16“我要把这世代比作什么呢?它好像一些小孩子坐在市中心,呼叫别的小孩子,
16Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
17说:‘我们给你们吹笛子,你们却不跳舞;我们唱哀歌,你们也不捶胸。’
17Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.
18约翰来了,不吃也不喝,人说他是鬼附的;
18Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
19人子来了,又吃又喝,人却说:‘你看,这人贪食好酒,与税吏和罪人为友。’但智慧借着它所作的,就证实是公义的了。”
19Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.[Na: (ny zanany)]
20责备不肯悔改的城(路10:13-15)那时,耶稣责备那些他曾在那里行过许多神迹的城,因为它们不肯悔改:
20Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
21“哥拉逊啊,你有祸了!伯赛大啊,你有祸了!在你们那里行过的神迹,如果行在推罗和西顿,它们早已披麻蒙灰悔改了。
21Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
22但我告诉你们,在审判的日子,推罗和西顿所受的,比你们还轻呢。
22Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
23迦百农啊!你会被高举到天上吗?你必降到阴间。在你那里行过的神迹,如果行在所多玛,那城还会存留到今天。
23Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.
24但我告诉你们,在审判的日子,所多玛那地方所受的,比你还轻呢。”
24Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
25劳苦者可得安息(路10:21-22)就在那时候,耶稣说:“父啊,天地的主,我赞美你,因为你把这些事向智慧和聪明的人隐藏起来,却向婴孩显明。
25Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.
26父啊,是的,这就是你的美意。
26Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
27我父已经把一切交给我;除了父没有人认识子,除了子和子所愿意启示的人,没有人认识父。
27Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
28你们所有劳苦担重担的人哪,到我这里来吧!我必使你们得安息。
28Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
29我心里柔和谦卑,你们应当负我的轭,向我学习,你们就必得着心灵的安息;
29Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo.Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
30我的轭是容易负的,我的担子是轻省的。”
30Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.