聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Matthew

12

1安息日的主(可2:23-28;路6:1-5)
1Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
2法利赛人看见了,就对他说:“你看,你的门徒作了安息日不可作的事。”
2Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.
3耶稣对他们说:“大卫和跟他在一起的人,在饥饿的时候所作的,你们没有念过吗?
3Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
4他不是进了 神的殿,吃了他和跟他在一起的人不可以吃,只有祭司才可以吃的陈设饼吗?
4Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
5律法书上记着:安息日,祭司在殿里供职,触犯了安息日,也不算有罪;你们也没有念过吗?
5Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
6我告诉你们,这里有一位是比圣殿更大的。
6Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
7如果你们明白‘我喜爱怜悯,不喜爱祭祀’这句话的意思,就不会把无罪的定罪了。
7Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
8因为人子是安息日的主。”
8Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
9治好手枯的人(可3:1-6;路6:6-11)耶稣离开那里,来到他们的会堂。
9Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;
10会堂里有一个人,他的一只手枯干了。有人问耶稣:“在安息日治病,可以吗?”目的是要控告耶稣。
10ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.[Gr. efa maina, na malazo]
11耶稣回答:“你们当中有哪一个,他仅有的一只羊在安息日跌进坑里,会不把羊抓住拉上来呢?
11Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
12人比羊贵重得多了!所以,在安息日行善是可以的。”
12Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.
13于是对那人说:“伸出手来!”他把手一伸,就复原了,好像另一只手一样。
13Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
14法利赛人出去,商议怎样对付耶稣,好杀掉他。
14Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
15 神拣选的仆人耶稣知道了,就离开那里。有很多人跟随他,他医好他们所有的病人,
15Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
16又嘱咐他们不可替他张扬。
16ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
17这就应验了以赛亚先知所说的:
17mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:
18“看哪!我所拣选的仆人,我所爱,心里所喜悦的;我要把我的灵赐给他,他必向万国宣扬公理。
18Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;
19他不争吵,也不喧嚷,人在街上听不见他的声音。
19Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
20压伤的芦苇,他不折断,将残的灯火,他不吹灭;直到他施行公理,使公理得胜。
20Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
21万民都要寄望于他的名。”
21Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).
22耶稣靠 神的灵赶鬼(可3:20-30;路11:14-23)有人带了一个被鬼附着、又瞎又哑的人到耶稣那里。耶稣医好了他,那哑巴就能说话,也能看见了。
22Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
23群众都很惊奇,说:“难道他就是大卫的子孙?”
23Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?
24法利赛人听见了,说:“这个人赶鬼,只不过是靠鬼王别西卜罢了。”
24Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia.
25耶稣知道他们的心思,就对他们说:“如果一个国家自相纷争,就必定荒凉;一城一家自相纷争,必站立不住。
25Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
26如果撒但赶逐撒但,就会自相纷争。那么,他的国怎能站立得住呢?
26Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?
27我若靠别西卜赶鬼,你们的子孙又靠谁呢?这样,他们就要断定你们的不是。
27Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
28我若靠 神的灵赶鬼, 神的国就已经临到你们了。
28Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.
29如果不先把壮汉绑起来,怎能进到他的家里,抢夺财物呢?如果绑起来了,就可以抢劫他的家了。
29Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
30不站在我这一边的就是反对我的,不跟我一起收聚的,就是分散的。
30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
31因此,我告诉你们,人的一切罪和亵渎的话,都可以赦免;可是,亵渎圣灵就得不着赦免。
31Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.[Gr.blasfemia,izahao 9. 3]
32无论谁说话得罪了人子,还可以赦免;但说话得罪了圣灵的,今生来世都得不着赦免。
32Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.
33种好树结好果子(路6:43-45)“你们种好树就结好果子,种坏树就结坏果子;凭着果子就能认出树来。
33Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
34毒蛇所生的啊,你们既然是邪恶的,怎能说出良善的话?因为心中所充满的,口里就说出来。
34Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.
35良善的人从他良善的心(“心”原文作“库房”)发出良善,邪恶的人从他邪恶的心(“心”原文作“库房”)发出邪恶。
35Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
36我告诉你们,人所说的闲话,在审判的日子,句句都要供出来,
36Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.
37因为你要照你的话被称为义,或定为有罪。”
37Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
38约拿的神迹(可8:11-12;路11:29-32)当时,有一些经学家和法利赛人对耶稣说:“老师,我们想请你显个神迹看看。”
38Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
39但耶稣说:“邪恶和淫乱的世代寻求神迹,除了约拿先知的神迹以外,再没有神迹给你们了。
39Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
40约拿怎样三日三夜在大鱼的腹中,人子也要照样三日三夜在地里。
40fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
41审判的时候,尼尼微人要和这个世代一同起来,定这个世代的罪,因为他们听了约拿所传的就悔改了。你看,这里有一位是比约拿更大的。
41Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
42审判的时候,南方的女王要和这个世代一同起来,定这个世代的罪,因为她从地极来到,要听所罗门智慧的话。你看,这里有一位是比所罗门更大的。
42Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
43污灵去而复返的教训(路11:24-26)“有一个污灵离开了一个人,走遍干旱之地,寻找栖身的地方,却没有找到。
43Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
44他就说:‘我要回到我从前离开了的那房子。’到了之后,看见里面空着,已经打扫干净,粉饰好了,
44Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
45他就去带了另外七个比自己更恶的污灵来,一齐进去住在那里;那人后来的情况,比以前更坏了。这邪恶的世代也会这样。”
45Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
46谁是耶稣的母亲和弟兄(可3:31-35;路8:19-21)耶稣还在对群众讲话的时候,他的母亲和弟弟站在外面,要找他讲话。
46Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
47有人告诉耶稣:“你的母亲和弟弟站在外面,有话要跟你说。”
47Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
48他回答那人:“谁是我的母亲?谁是我的弟兄?”
48Fa namaly Izy ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?
49他伸手指着门徒说:“你看,我的母亲,我的弟兄!
49Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
50凡是遵行我天父旨意的,就是我的弟兄、姊妹和母亲了。”
50Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.