聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Matthew

13

1撒种的比喻(可4:1-9;路8:4-8)
1Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina.
2有很多人聚集到他那里。于是,他上船坐下来,众人都站在岸上。
2Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.
3他用比喻对众人讲了许多事,说:“有一个撒种的出去撒种。
3Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;
4撒的时候,有的落在路旁,小鸟飞来就吃掉了。
4ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.
5有的落在泥土不多的石地上,因为泥土不深,很快就长起来。
5Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
6但太阳一出来,就把它晒干,又因为没有根就枯萎了。
6Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7有的落在荆棘里,荆棘长大了,就把它挤住。
7Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.
8有的落在好土里,结出果实,有一百倍的,有六十倍的,有三十倍的。
8Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
9有耳的,就应当听。”
9Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. [Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]
10用比喻的目的(可4:10-12;路8:9-10,10:23-24)门徒上前问耶稣:“你对他们讲话,为什么用比喻呢?”
10Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?
11他回答:“天国的奥秘,只给你们知道,却不给他们知道。
11Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. [ Gr. nomena] [ Gr. nomena]
12因为凡是有的,还要给他,他就充足有余;凡是没有的,就连他有什么也要拿去。
12Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.
13因此,我用比喻对他们讲话,因为他们看却看不见,听也听不到,也不明白。
13Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.
14以赛亚的预言,正应验在他们身上,他说:‘你们听是听见了,总是不明白;看是看见了,总是不领悟。
14Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
15因为这人民的心思迟钝,用不灵的耳朵去听,又闭上了眼睛;免得自己眼睛看见,耳朵听见,心里明白,回转过来,我就医好他们。’
15Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
16“你们的眼睛是有福的,因为可以看见;你们的耳朵是有福的,因为可以听见。
16Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.
17我实在告诉你们,曾经有许多先知和义人想看你们所看见的,却没有看到,想听你们所听见的,却没有听到。
17Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.
18解释撒种的比喻(可4:13-20;路8:11-15)“所以你们要听这撒种人的比喻。
18Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy:
19凡是听了天国的道却不明白的,那恶者就来把撒在他心中的夺去。这就是撒在路旁的。
19Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.
20那撒在石地上的,就是人听了道,立刻欢欢喜喜地接受,
20Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana;
21可是他里面没有根,只是暂时的;一旦为道遭遇患难,受到迫害,就立刻跌倒了。
21nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.
22那撒在荆棘里的,就是人听了道,有今世的忧虑和财富的迷惑把道挤住,结不出果实来。
22Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
23那撒在好土里的,就是人听了道,又明白了,结出果实来,有一百倍的,有六十倍的,有三十倍的。”
23Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
24稗子的比喻耶稣对他们另外讲了一个比喻,说:“天国好像人把好的种子撒在田里。
24Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;
25人们睡了的时候,他的仇敌来把稗子撒在麦子中间,就走了。
25fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.
26到了发苗吐穗的时候,稗子也显出来。
26Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.
27仆人都前来问家主:‘主人,你不是把好的种子撒在田里吗?那些稗子是从哪里来的呢?’
27Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:
28他回答:‘这是仇敌所作的。’仆人问他:‘你要我们去拔掉它吗?’
28Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?
29他说:‘不用,因为拔稗子的时候,恐怕也把麦子连根拔出来。
29Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.
30收割之前,让它们一同生长。到了收割的时候,我会吩咐收割的工人先拔掉稗子,捆起来,留着焚烧,却要把麦子收进我的仓里。’”
30Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
31芥菜种和面酵的比喻(可4:30-32;路13:18-21)耶稣又对他们讲了另外一个比喻,说:“天国好像一粒芥菜种,人拿去把它种在田里。
31Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany;
32它是种子中最小的,但长大了,却比其他的蔬菜都大,成为一棵树,甚至天空的飞鸟也来在它的枝头搭窝。”
32fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.
33他对他们讲了另一个比喻:“天国好像面酵,妇女拿去放在三斗面里,直到全团发起来。”
33Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra. [Gr. nafeniny]
34解释稗子的比喻耶稣用比喻向群众讲了这一切,他所讲的,没有不用比喻的。
34Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana,
35这就应验了先知所说的:“我要开口用比喻,把创世以来隐秘的事说出来。”
35mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho (Sal. 78. 2).
36耶稣离开群众,进到屋里,门徒前来问他:“请你给我们解释田里稗子的比喻。”
36Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.
37他回答:“那撒好种子的是人子,
37Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona;
38田就是世界,好种子就是属天国的人,稗子就是属那恶者的人,
38ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy;
39撒稗子的仇敌是魔鬼,收割的时候是这世代的终结,收割的工人是天使。
39ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.
40稗子怎样被拔掉用火焚烧,在这世代终结的时候,也是一样。
40Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.
41那时,人子要差派他的使者,把一切使人犯罪的事和不法之徒,从他的国中拔掉,
41Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka,
42丢进火炉,在那里必要哀哭切齿。
42dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
43那时,义人在他们父的国中,要像太阳一样的照耀。有耳的,就应当听。
43Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. [Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]
44其他的比喻“天国好像藏在田里的宝贝,有人发现了,就把它藏起来,高高兴兴地离去,变卖了他的一切,来买那田地。
44Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
45“天国好像一个商人,搜罗宝贵的珍珠。
45Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa;[Gr.perila]
46他发现了一颗极贵重的珍珠,就离去,变卖了他的一切,来买那颗珍珠。
46ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.[Gr. perila]
47“天国又好像一个网,撒在海里,网到各样的鱼。
47Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;
48网满了之后,人就把网拉上岸,坐下来把好的拣出,收藏起来,不好的就丢在外面。
48ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.
49这世代终结的时候,也是一样。那时天使要出去,把恶人从义人中分别出来。
49Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,
50丢进火炉,在那里必要哀哭切齿。
50dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
51“这一切你们明白吗?”他们回答:“明白。”
51Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
52耶稣说:“所以,每一个作天国门徒的经学家,就像家主从宝库中拿出新和旧的东西来。”
52Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.
53耶稣在本乡遭人厌弃(可6:1-6。参路4:16-30)耶稣讲完了这些比喻,就离开那地方。
53Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.
54他回到自己的家乡,在会堂里教导人,众人都惊奇,说:“这个人的智慧和能力是从哪里来的呢?
54Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?
55他不是木匠的儿子吗?他母亲不是马利亚,他弟弟不是雅各、约瑟、西门和犹大吗?
55Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?
56他妹妹不是都在我们这里吗?他这一切是从哪里来的呢?”
56Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany?
57他们就厌弃耶稣。耶稣对他们说:“先知除了在本乡本家之外,没有不受人尊敬的。”
57Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.
58因为他们不信,他就不在那里多行神迹了。
58Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.