1 神配合的,人不可分开(可10:1-12)
1Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin'i Jordana, dia tonga tany amin'ny sisin'i Jodia.
2有许多人跟着他;他在那里医好了他们。
2Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy, dia nahasitrana azy teo Izy.
3法利赛人前来试探耶稣,说:“人根据某些理由休妻,可以吗?”
3Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?[Na: (Ary nanatona Azy ny Fariseo)]
4他回答:“造物者从起初‘造人的时候,就造男造女’。’因此人要离开父母,与妻子连合,二人成为一体。’这些话你们没有念过吗?
4Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy (Gen. 1. 27), ka dia nanao hoe:
5
5Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?
6这样,他们不再是两个人,而是一体的了。所以 神所配合的,人不可分开。”
6ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.
7他们就问:“为什么摩西却吩咐‘人若给了休书,就可以休妻’呢?”
7Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1).
8他说:“摩西因为你们的心硬,才准许你们休妻,但起初并不是这样。
8Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany.
9我告诉你们,凡休妻另娶的,如果不是因为妻子不贞,就是犯奸淫了。”
9Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.
10门徒对他说:“夫妻的关系既然是这样,倒不如不结婚了。”
10Dia hoy ny mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady.
11耶稣对他们说:“这话不是每个人都能领受的,只有赐给谁,谁才能领受。
11Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany;
12有些人是生来就不能结婚的,有些人不能结婚是因为人使他们这样,也有些人是为了天国的缘故自愿这样的。谁能领受就领受吧!”
12fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
13给小孩子按手祈祷(可10:13-16;路18:15-17)那时,有人带了小孩子到耶稣面前,求他给他们按手祈祷,门徒就责备那些人。
13Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14但耶稣说:“让小孩子到我这里来,不要禁止他们,因为天国是属于这样的人的。”
14Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.
15于是他给他们按手,然后离开那里。
15Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.
16有钱的人难进 神的国(可10:17-31;路18:18-30)有一个人前来见耶稣,说:“老师,我要作什么善事,才可以得着永生?”
16Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[Na: (Mpampianatra tsara ô)]
17耶稣说:“为什么问我关于善的事呢?只有一位是善的。如果你想进入永生,就应当遵守诫命。”
17Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)]
18他问:“什么诫命?”耶稣回答:“就是‘不可杀人,不可奸淫,不可偷盗,不可作假证供;
18Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,
19当孝敬父母,当爱人如己’。”
19Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18).
20那青年对他说:“这一切我都遵守了,还缺少什么呢?”
20Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?
21耶稣对他说:“如果你想要完全,就去变卖你所有的,分给穷人,你就必定有财宝在天上,而且你要来跟从我。”
21Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
22那青年听见这话,就忧忧愁愁地走了,原来他的财产很多。
22Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be.
23耶稣对门徒说:“我实在告诉你们,有钱的人是很难进天国的。
23Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'ny lanitra.
24我又告诉你们,骆驼穿过针眼,比有钱的人进 神的国还容易呢!”
24Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
25门徒听见了,十分惊奇,就问他:“这样,谁可以得救呢?”
25Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Iza indray no azo hovonjena?
26耶稣看着他们说:“在人这是不能的,在 神却凡事都能。”
26Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.
27那时彼得对他说:“你看,我们已经舍弃一切跟从了你,我们会得到什么呢?”
27Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?
28耶稣对他们说:“我实在告诉你们,到了万物更新,人子坐在他荣耀的宝座上的时候,你们这些跟从我的人,也会坐在十二个宝座上,审判以色列的十二个支派。
28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.[Gr.fiteraham-baovao]
29凡为我的名撇下房屋、兄弟、姊妹、父母、儿女或田地的,他必得着百倍,并且承受永生。
29Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[Ampio hoe: (na vady.)]Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
30然而许多在前的将要在后,在后的将要在前。”
30Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.