聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Matthew

20

1葡萄园工人的比喻
1Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
2他和工人讲定了一天的工钱是一个银币,然后派他们到葡萄园去。
2Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanim-boalobony ireny.
3大约九点钟,他又出去,看见还有人闲站在街市上,
3Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
4就对他们说:‘你们也到葡萄园来吧,我会给你们合理的工钱。’
4ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
5他们就去了。约在正午和下午三点钟,他又出去,也是这样作。
5Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
6下午五点钟左右,他再出去,看见还有人站着,就问他们:‘你们为什么整天站在这里不去作工?’
6Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
7他们回答:‘没有人用我们。’他说:‘你们也到葡萄园来吧。’
7Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka.
8到了黄昏,园主对管工说:‘把工人叫来,给他们工钱,从最后的开始,到最先来的。’
8Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.
9那些下午五点钟才开始作工的人来了,每个人都领到一个银币。
9Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
10最先作工的人也来了,以为会多得一点,但每个人也是领到一个银币。
10Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
11他们领到之后,就埋怨家主,说:
11Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:
12‘我们整天在烈日之下劳苦,这些后来的人只工作了一个小时,你却给他们跟我们一样的工钱。’
12Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
13家主回答他们当中的一个,说:‘朋友,我并没有亏待你。你我不是讲定了一个银币吗?
13Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
14拿你的工钱走吧!我给那后来的和给你的一样,是我的主意。
14Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
15难道我不可以照自己的主意用我的财物吗?还是因为我仁慈你就嫉妒呢?’
15Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
16因此,在后的将要在前,在前的将要在后。”
16Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
17第三次预言受难及复活(可10:32-34;路18:31-34)耶稣上耶路撒冷去的时候,把十二门徒带到一边,对他们说:
17Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
18“我们现在上耶路撒冷去,人子要被交给祭司长和经学家,他们要定他死罪,
18Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
19把他交给外族人凌辱、鞭打,并且钉在十字架上。然而第三天他要复活。”
19ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
20不是要人服事而是要服事人(可10:35-45)那时,西庇太的儿子的母亲,带着她的两个儿子前来见耶稣。她跪在耶稣面前求他。
20Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
21耶稣问她:“你想要什么?”她说:“求你下令,使我这两个儿子在你的国里,一个坐在你的右边,一个坐在你的左边。”
21Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.
22耶稣回答:“你们不知道你们求的是什么。我将要喝的杯,你们能喝吗?”他们说:“能。”
22Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
23他对他们说:“我的杯你们固然要喝,只是坐在我的左右,不是我可以赐的;我父预备赐给谁,就赐给谁。”
23Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.
24其他十个门徒听见了,就向他们兄弟二人生气。
24Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy.
25耶稣把他们叫过来,说:“你们知道各国都有元首统治他们,也有官长管辖他们。
25Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
26但你们中间却不要这样;谁想在你们中间成为大的,就要作你们的仆役;
26Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
27谁想在你们中间为首的,就要作你们的奴仆。
27ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
28正如人子来,不是要受人的服事,而是要服事人,并且要舍命,作许多人的赎价。”
28Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
29治好瞎眼的人(可10:46-52;路18:35-43)他们从耶利哥出来的时候,有许多人跟着耶稣。
29Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesosy.
30有两个瞎眼的人坐在路旁,听说耶稣经过,就喊叫:“主啊,大卫的子孙,可怜我们吧!”
30Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
31群众责备他们,叫他们不要出声,他们却更加放声喊叫:“主啊,大卫的子孙,可怜我们吧!”
31Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô!
32耶稣就站住,叫他们过来,说:“要我为你们作什么呢?”
32Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
33他们说:“主啊,求你开我们的眼睛。”
33Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.
34耶稣就怜悯他们,摸他们的眼睛。他们立刻能看见,就跟从了耶稣。
34Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.