聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Matthew

5

1论福(路6:20-23)
1Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
2他就开口教训他们:
2Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
3“心灵贫乏的人有福了,因为天国是他们的。
3Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
4哀痛的人有福了,因为他们必得安慰。
4Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
5温柔的人有福了,因为他们必承受地土。
5Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).
6爱慕公义如饥如渴的人有福了,因为他们必得饱足。
6Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
7怜悯人的人有福了,因为他们必蒙怜悯。
7Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
8内心清洁的人有福了,因为他们必看见 神。
8Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,
9使人和平的人有福了,因为他们必称为 神的儿子。
9Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.
10为义遭受迫害的人有福了,因为天国是他们的。
10Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
11人若因我的缘故辱骂你们,迫害你们,并且捏造各样坏话毁谤你们,你们就有福了。
11Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
12你们应该欢喜快乐,因为你们在天上的赏赐是大的;在你们以前的先知,他们也曾这样迫害。
12Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
13门徒作盐作光(可9:50;路14:34-35)“你们是地上的盐;如果盐失了味,怎能使它再咸呢?结果毫无用处,唯有丢在外面任人践踏。
13Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.
14你们是世上的光。建在山上的城是无法隐藏的;
14Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
15人点了灯,不会放在量器底下,而是放在灯台上,就照亮一家人。
15Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.
16照样,你们的光也应当照在人前,让他们看见你们的好行为,又颂赞你们在天上的父。
16Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
17论律法“你们不要以为我来是要废除律法和先知;我来不是要废除,而是要完成。
17Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
18我实在告诉你们,就算天地过去,律法的一点一画也不会废去,全部都要成就。
18Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo]
19因此,无论谁废除诫命中最小的一条,又这样教导人,他在天国中必称为最小的;但若有人遵行这些诫命,并且教导人遵行,他在天国中必称为大。
19Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.
20我告诉你们,你们的义若不胜过经学家和法利赛人的义,就必不能进天国。
20Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
21不可恨人(路12:58-59)“你们听过有这样吩咐古人的话:‘不可杀人,杀人的必被判罪。’
21Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
22可是我告诉你们,凡是向弟兄发怒的,必被判罪。人若说弟兄是‘拉加’,必被公议会审判;人若说弟兄是‘摩利’,必难逃地狱的火。
22Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. [Na: tezitra foana] [Gr. Gehena]
23所以你在祭坛上献供物的时候,如果在那里想起你的弟兄对你不满,
23Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
24就当在坛前放下供物,先去与弟兄和好,然后才来献你的供物。
24dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
25趁着你和你的对头还在路上的时候,要赶快与他和解,免得他抓你去见法官,法官把你交给狱警,关在监里。
25Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
26我实在告诉你,除非你还清最后一分钱,否则决不能从那里出来。
26Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
27不可动淫念“你们听过有这样的吩咐:‘不可奸淫。’
27Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14).
28可是我告诉你们,凡是看见妇女就动淫念的,心里已经犯了奸淫。
28Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
29如果你的右眼使你犯罪,就把它挖出来丢掉;宁可失去身体的一部分,胜过全身被丢进地狱里。
29Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.[Ny teny Grika adika hoe manafintohina amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamandrika no tena dikany]
30如果你的右手使你犯罪,就把它砍下来丢掉;宁可失去身体的一部分,胜过全身进到地狱里去。
30Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.
31不可休妻(太19:9;可10:11-12;路16:18)“又有这样的吩咐:‘人若休妻,就应当给她休书。’
31Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1).
32可是我告诉你们,凡休妻的,如果不是因她不贞,就是促使她犯奸淫;无论谁娶了被休的妇人,也就是犯奸淫了。
32Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
33不可发誓“你们又听过有这样吩咐古人的话:‘不可背约,向主许的愿都要偿还。’
33Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).
34可是我告诉你们,总不可发誓,不可指着天发誓,因为天是 神的宝座;
34Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;
35不可指着地发誓,因为地是 神的脚凳;不可指着耶路撒冷发誓,因为它是大君王的京城;
35na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.
36也不可指着自己的头发誓,因为你不能使一根头发变白或变黑。
36Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
37你们的话,是就说‘是’,不是就说‘不是’;如果再多说,就是出于那恶者。
37Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.[Na amin'ilay ratsy]
38不可报复(路6:29-30)“你们听过有这样的吩咐:‘以眼还眼,以牙还牙。’
38Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24).
39可是我告诉你们,不要与恶人对抗,有人打你的右脸,把另一边也转过来让他打;
39Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
40有人要告你,想拿你的衬衫,就连外套也让他拿去。
40Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
41有人要强迫你走一里路,就陪他走两里。
41Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.[Na: kilometatra]
42有求你的,就给他;想借贷的,也不可拒绝。
42Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.
43当爱仇敌(路6:27-28、32-36)“你们听过有这样的吩咐:‘当爱你的邻舍,恨你的仇敌。’
43Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.
44可是我告诉你们,当爱你们的仇敌,为迫害你们的祈祷,
44Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
45好叫你们成为你们天父的儿子;因为他使太阳照恶人,也照好人;降雨给义人,也给不义的人。
45mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.
46如果你们只爱那些爱你们的人,有什么赏赐呢?税吏不也是这样作吗?
46Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
47如果你们单问候你们的弟兄,有什么特别呢?教外人不也是这样作吗?
47Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.
48所以你们要完全,正如你们的天父是完全的。”
48Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.