1施舍不可张扬
1Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[Na: ny fiantrana]
2因此你施舍的时候,不可到处张扬,好像伪君子在会堂和街上所作的一样,以博取众人的称赞。我实在告诉你们,他们已经得了他们的赏赐。
2Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
3你施舍的时候,不要让左手知道右手所作的,
3Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana,
4好使你的施舍是在隐密中行的。你父在隐密中察看,必定报答你。
4mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
5如何祷告(路11:2-4)“你们祈祷的时候,不可像伪君子;他们喜欢在会堂和路口站着祈祷,好让人看见。我实在告诉你们,他们已经得了他们的赏赐。
5Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
6但你祈祷的时候,要进到密室里去,关上门,向在隐密中的父祈祷。你父在隐密中察看,必定报答你。
6Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.
7你们祈祷的时候,不可重复无意义的话,像教外人一样,他们以为话多了就蒙垂听。
7Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
8你们不可像他们,因为在你们祈求以先,你们的父已经知道你们的需要了。
8Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.
9所以你们要这样祈祷:‘我们在天上的父,愿你的名被尊为圣,
9Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.
10愿你的国降临,愿你的旨意成就在地上,如同在天上一样。
10Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
11我们每天所需的食物,求你今天赐给我们;
11Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
12赦免我们的罪,好像我们饶恕了得罪我们的人;
12Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. [Na: trosa] [Na:nitrosa]
13不要让我们陷入试探,救我们脱离那恶者。’(有些后期抄本在此有“因为国度、权柄、荣耀,全是你的,直到永远。阿们”一句)
13Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy. [Na: amin'ilay] [ Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena]
14如果你们饶恕别人的过犯,你们的天父也必饶恕你们。
14Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
15如果你们不饶恕别人,你们的父也必不饶恕你们的过犯。
15Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
16禁食不让人知“你们禁食的时候,不可像伪君子那样愁眉苦脸,他们装成难看的样子,叫人看出他们在禁食。我实在告诉你们,他们已经得了他们的赏赐。
16Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
17可是你禁食的时候,要梳头洗脸,
17Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
18不要叫人看出你在禁食,只让在隐密中的父看见。你父在隐密中察看,必定报答你。
18mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
19积财于天(路12:32-34)“不可为自己在地上积聚财宝,因为地上有虫蛀,有锈侵蚀,也有贼挖洞来偷。
19Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.
20要为自己积聚财宝在天上,那里没有虫蛀锈蚀,也没有贼挖洞来偷。
20Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
21你的财宝在哪里,你的心也在哪里。
21Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
22里面的光(路11:34-36)“眼睛就是身体的灯。如果你的眼睛健全,全身就都明亮;
22Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.
23如果你的眼睛有毛病,全身就都黑暗。如果你里面的光变成黑暗,这是多么的黑暗!
23Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!
24不要为明天忧虑(路12:22-31)“一个人不能服事两个主人;他若不是恨这个爱那个,就是忠于这个轻视那个。你们不能服事 神,又服事金钱。
24Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.[Mamôna = harena]
25所以我告诉你们,不要为生命忧虑吃什么喝什么,也不要为身体忧虑穿什么。难道生命不比食物重要吗?身体不比衣服重要吗?
25Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
26你们看天空的飞鸟:它们不撒种,不收割,也不收进仓里,你们的天父尚且养活它们;难道你们不比它们更宝贵吗?
26Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
27你们中间谁能用忧虑使自己的寿命延长一刻呢?
27Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza? [ Na: Ny halavan'ny tenany] [ Gr. Hakiho iray]
28何必为衣服忧虑呢?试想田野的百合花怎样生长,它们不劳苦,也不纺织。
28Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[Karazan'ny lilia]
29但我告诉你们,就是所罗门最威荣的时候所穿的,也比不上这花中的一朵。
29nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
30田野的草,今天还在,明天就投进炉里, 神尚且这样妆扮它们;小信的人哪,何况你们呢?
30Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?
31所以不要忧虑,说:‘我们该吃什么?喝什么?穿什么?’
31Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?
32这些都是教外人所寻求的,你们的天父原知道你们需要这一切。
32Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
33你们要先求他的国和他的义,这一切都必加给你们。
33Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.
34所以不要为明天忧虑,因为明天自有明天的忧虑,一天的难处一天当就够了。”
34Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.