聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Romans

11

1 神并没有丢弃以色列人
1Dia hoy izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita'taranak'i Abrahama ihany, avy amin'ny firenen'i Benjamina.
2 神并没有丢弃他预先知道的子民。难道你们不知道在经上以利亚的话是怎样说的吗?他向 神控诉以色列人:
2Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
3“主啊,他们杀了你的众先知,拆毁了你的祭坛,只剩下我一个人,他们还在寻索我的性命。”
3Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).
4但 神怎样回答他呢?”我为自己留下了七千人,是没有向巴力屈膝的。”
4Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).)
5因此,现在也是这样,按着恩典的拣选,还有剩下的余数。
5Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana.
6既然是靠着恩典,就不再是由于行为了;不然的话,恩典就不再是恩典了。
6Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7那又怎么样呢?以色列人恳切寻找的,他们没有得到,蒙拣选的人倒得着了。其余的人都成了顽固的,
7Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon'ny sisa;
8正如经上所记:“ 神给了他们麻木的灵,有眼睛却看不见,有耳朵却听不到,直到今日。”
8araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3)
9大卫也说:“愿他们的筵席成为他们的网罗、陷阱、绊脚石和报应;
9Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
10愿他们的眼睛昏暗,不能看见;愿他们的背脊常常弯曲。”
10Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23).
11外族人因信得到救恩那么我要说,他们失足是要倒下去吗?绝对不是!反而因为他们的过犯,救恩就临到外族人,为了要激起他们奋发。
11Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy.
12既然他们的过犯可以使世人富足,他们的失败可以使外族人富足,何况他们的丰盛呢?
12Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
13我现在对你们外族人说话,因为我是外族人的使徒,所以尊重我的职分,
13Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
14这样也许可以激起我骨肉之亲奋发,使他们中间有一些人得救。
14raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy. [ Gr. ny nofoko]
15如果他们被舍弃,世人就可以与 神复和;他们蒙接纳,不就等于从死人中复活吗?
15Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin'ny maty ny fandraisana azy? [ Gr. fiainana]
16如果首先献上的生面是圣的,整团面也是圣的;如果树根是圣的,树枝也是圣的。
16Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany.
17如果把几根树枝折下来,让你这野橄榄可以接上去,一同分享那橄榄树根的汁浆,
17Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva [ Na: (fakany sy ny menaky)]
18你就不可向那些树枝夸口。你若要夸口,就应当想想:不是你支持着树根,而是树根支持着你。
18dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
19那么你会说,那些树枝被折下来,就是要把我接上去。
19Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20不错,他们因为不信而被折下来,你因着信才站立得住。只是不可心高气傲,倒要存畏惧的心。
20Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
21 神既然不顾惜那本来的树枝,也不会顾惜你。
21fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
22所以要留意 神的恩慈和严厉:对跌倒的人,他是严厉的;对你,只要你继续在他的恩慈里,他是恩慈的;不然的话,你也会被砍下来。
22Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
23至于他们,如果不是继续不信,他们仍然会被接上去,因为 神能够把他们再接上去。
23Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.
24你这从野生的橄榄树上砍下来的,尚且可以不自然地接在栽种的橄榄树上,那些本来就有的树枝,不是更能够接在原来的橄榄树上吗?
24Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.
25全以色列都要得救弟兄们,我不愿意你们对这奥秘一无所知,免得你们自以为聪明。这奥秘就是以色列人当中有一部分是硬心的,直到外族人的全数满了;
25Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
26这样,全以色列都要得救,如经上所记:“拯救者必从锡安出来,除掉雅各家的不敬虔的心;
26ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy;
27我除去他们罪恶的时候,就与他们立这样的约。”
27Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
28就福音来说,因你们的缘故,他们是仇敌;就拣选来说,因祖宗的缘故,他们是蒙爱的。
28Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
29因为 神的恩赏和呼召是决不会反悔的。
29Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30正如你们从前不顺服 神,现在却因着他们的不顺服,你们倒蒙了怜悯;
30Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po,
31照样,他们因着你们所蒙的怜悯,现在也不顺服,使他们现在也可以蒙怜悯。
31dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
32因为 神把所有的人都圈在不顺服之中,为了要怜悯所有的人。
32Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
33颂赞 神 神的丰富、智慧和知识,是多么高深啊!他的判断是多么难测,他的道路是多么难寻!
33Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [ Na: ny haren'ny fahendren'Andriamanitra]
34“谁知道主的心意,谁作过他的参谋?”
34Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)
35“谁先给了他,以致他要偿还呢?”
35Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
36因为万有都是本于他,倚靠他,归于他。愿荣耀归给他,直到永远。阿们。
36Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.