1献上自己当作活祭
1[Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. [ Na: fanompoam-pivavahana]
2不要模仿这个世代,倒要借着心意的更新而改变过来,使你们可以察验出什么是 神的旨意,就是察验出什么是美好的、蒙他悦纳的和完全的事。
2Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. [ Gr. tanteraka].
3信徒行事为人的准则我凭着所赐给我的恩典,对你们各人说,不可自视太高,高于所当看的,反而应该照着 神分给各人信心的大小,看得适中。
3Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
4就像一个身体有许多肢体,各肢体都有不同的功用;
4Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
5照样,我们大家在基督里成为一个身体,也是互相作肢体。
5dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
6照着所赐给我们的恩典,我们各有不同的恩赐:说预言的,就应当照着信心的程度去说;
6Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
7服事人的,就应当照着恩赐去服事;教导的,就应当照着恩赐教导;
7raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;
8劝慰的,就应当照着恩赐劝慰;把财物分给人的要真诚;领导的要殷勤;行善的要乐意。
8raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
9爱,不可虚伪;恶,要厌恶;善,要持守。
9Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
10要以手足之爱彼此相亲,用恭敬的心互相礼让。
10Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
11殷勤不可懒惰,心灵要火热,常常服事主;
11Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12在盼望中要喜乐,在患难中要坚忍,祷告要恒切。
12Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
13圣徒有缺乏的,就要接济;客旅要热诚地款待。
13Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
14迫害你们的,要为他们祝福;只可祝福,不可咒诅。
14Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
15要与喜乐的人一同喜乐,与哀哭的人一同哀哭。
15Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
16要彼此同心,不可心高气傲,倒要俯就卑微的。不可自以为聪明。
16Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [ Na: manetre tena amin'ny malahelo]
17不可以恶报恶。大家以为美的事,要努力去作。
17Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.
18可能的话,总要尽你们的所能与人和睦。
18Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
19亲爱的啊,不要为自己伸冤,宁可等候主的忿怒,因为经上记着,主说:“伸冤在我,我必报应。”
19Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
20相反地,“如果你的仇敌饿了,就给他吃;如果渴了,就给他喝。因为你这样作,就是把炭火堆在他的头上。”
20Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
21不可被恶所胜,反要以善胜恶。
21Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.