1不可论断弟兄或轻看弟兄
1[Ny amin'ny handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
2有人相信所有的食物都可以吃,信心软弱的人却只吃蔬菜。
2Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
3吃的人不要轻看不吃的人,不吃的人也不要批评吃的人,因为 神已经接纳他了。
3Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
4你是谁,竟然批评别人的家仆呢?他或站稳或跌倒,只和自己的主人有关;但他必定站稳,因为主能够使他站稳。
4Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
5有人认为这日比那日好,也有人认为日日都是一样;只要各人自己心意坚定就可以了。
5Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
6守日的人是为主守的,吃的人是为主吃的,因为他感谢 神;不吃的人是为主不吃,他也感谢 神。
6Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy.
7我们没有一个人为自己活,也没有一个人为自己死。我们若活着,是为主而活;
7Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany.
8我们若死了,是为主而死。所以,我们无论活着或是死了,总是属于主的人。
8Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.
9为了这缘故,基督死了,又活过来,就是要作死人和活人的主。
9Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy.
10这样,你为什么批评你的弟兄呢?为什么又轻看你的弟兄呢?我们都要站在 神的审判台前;
10Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra.
11因为经上记着:“主说,我指着我的永生起誓:万膝必向我跪拜,万口必称颂 神。”
11Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23).
12这样看来,我们各人都要把自己的事向 神交代。
12Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.
13不可使弟兄跌倒所以,我们不要再彼此批评了;倒要立定主意,决不作绊倒弟兄或使他跌倒的事。
13Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [ Gr. mitsara]
14我知道,并且在主耶稣里深信,没有一样东西的本身是不洁的,但如果有人认为是不洁的,对他来说那东西就成为不洁了。
14Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
15如果你为了食物使你的弟兄忧愁,你就不再是凭着爱心行事了。你不可因着你的食物,使基督已经替他死了的人灭亡。
15Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
16所以,不可使你们看为好的被人毁谤;
16Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo. [Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3]
17因为 神的国不在于吃喝,而在于公义、和睦,以及圣灵里的喜乐。
17Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.
18这样服事基督的人,必蒙 神喜悦,又得众人嘉许。
18Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara.
19所以,我们总要追求和睦的事,与彼此造就的事。
19Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
20不可因食物的缘故拆毁 神的工作。一切都是洁净的,但人若因食物绊倒弟兄,对他来说,这就是恶事了。
20Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.
21无论是吃肉,是喝酒,或是什么使你的弟兄跌倒的事,一律不要作才好。
21Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao. [ Ampio hoe: [na hahalavo, na hahalemy]
22你所信的,你自己要在 神面前持守。人在经自己考验后认可的事上能够不自责,他就有福了。
22Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.
23但如果有人存着疑惑的心去吃,他就被定罪了,因为他不是出于信心。凡不是出于信心的,都是罪。
23Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.