聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Romans

15

1不求自己的喜悦
1Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
2我们各人务要叫邻舍喜悦,好让他得到益处、得到造就。
2Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
3因为连基督也不求自己的喜悦;反而像经上所记的:“辱骂你的人的辱骂,都落在我的身上。”
3Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
4从前经上所写的,都是为教训我们而写的,好使我们借着忍耐和圣经中的安慰得着盼望。
4Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
5愿赐忍耐和安慰的 神,使你们彼此同心,效法基督耶稣,
5Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy,
6同心一致地荣耀我们主耶稣基督的父 神。
6mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.
7外族人蒙恩颂赞 神因此,你们应当彼此接纳,就像基督接纳了你们一样,使荣耀归于 神。
7Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. [ Na: (antsika)]
8我说,基督为了 神的真理,成了受割礼的人的仆人,为的是要证实对祖先的应许,
8Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana,
9使外族人因着所蒙的怜悯荣耀 神;如经上所记:“因此我要在列邦中称赞你,歌颂你的名。”
9mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
10又说:“列邦啊,当与他的子民一同快乐。”
10Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).
11又说:“万国啊,你们当赞美主;愿万民都颂赞他。”
11Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).
12以赛亚也说:“将来必有耶西的根,就是那兴起来治理列邦的;列邦都寄望于他。”
12Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).
13愿那赐盼望的 神,因着你们的信,把一切喜乐平安充满你们,使你们靠着圣灵的大能满有盼望。
13Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
14不在传过基督的地方传福音我的弟兄们,我个人深信你们自己也满有良善,充满丰富的知识,也能够彼此劝导。
14Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.
15但有些地方,我写得稍为大胆一点,是要提醒你们;我因着 神赐给我的恩典,
15Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,
16为外族人作了基督耶稣的仆役,作了 神福音的祭司,使所献上的外族人得蒙悦纳,靠着圣灵成为圣洁。
16mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
17所以,在 神的事上,我在基督耶稣里倒有可以引以为荣的。
17Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.
18别的我不敢说,我只说基督借着我所作的事,就是用言语行为,借着神迹和奇事的大能,以及圣灵的大能,使外族人顺服;这样,我从耶路撒冷直到以利里古,把基督的福音都传开了。
18Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
19
19dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [ Na: (Fanahin'Andriamanitra)]
20我立定主意,不在宣扬过基督的地方传福音,免得建立在别人的根基上,
20Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
21反而照经上所记:“那对他一无所闻的,将要看见;那没有听过的,将要明白。”
21fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).
22保罗计划到罗马去因此,我多次受到拦阻,不能到你们那里去。
22Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
23但现在这一带再没有可传的地方,而我多年来又很想去见你们,
23Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,
24所以,无论我什么时候到西班牙去,都希望趁我路过时和你们见面,先稍微满足我的心愿,然后由你们给我送行到那里去。
24raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
25不过,我现在为了供应圣徒的事要往耶路撒冷去;
25Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
26因为马其顿和亚该亚人乐意捐了一些钱,给耶路撒冷圣徒中的穷人。
26Fa efa sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona masina any Jerosalema.
27他们是乐意的,而且那也是他们的本分(“本分”原文作“债”),因为外族人既然分享了犹太人属灵的好处,就应该供应他们肉身的需要。
27Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo izy.
28等我办好这件事,把这笔款项安全地交了给他们,我就要路过你们那里到西班牙去。
28Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
29我知道我到你们那里去的时候,一定会带着基督丰盛的福分。
29Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
30弟兄们,我靠着我们的主耶稣基督,凭着圣灵的慈爱,劝你们和我一同竭力为我向 神祈祷,
30Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,
31求 神救我脱离犹太地不信从的人,使我带到耶路撒冷的捐款,可以得到圣徒的悦纳;
31mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
32也使我照着 神的旨意,高高兴兴地到你们那里去,好和你们一同得到安息。
32mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
33愿赐平安的 神与你们众人同在。阿们。
33Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.