1 神照各人所作的报应各人
1[Ny amin'ny tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalàna] Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [ Gr. olona]
2我们知道, 神必照着真理审判行这些事的人。
2Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.
3你这个人,你判断行这些事的人,自己所行的却是一样,你以为能逃脱 神的审判吗?
3Ary ianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [ Gr. olona]
4还是你藐视 神丰富的恩慈、宽容和忍耐,不晓得他的恩慈是要领你悔改的吗?
4Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
5可是你一直硬着心肠,不肯悔改,为自己积蓄 神的忿怒,就是他彰显公义审判的那天所要发的忿怒。
5Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra,
6 神必照各人所作的报应各人:
6Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
7以永生报答那些耐心行善、寻求荣耀尊贵和不朽的人,
7ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
8却以震怒和愤恨报应那些自私自利、不顺从真理而顺从不义的人;
8fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
9把患难和愁苦加给所有作恶的人,先是犹太人,后是希腊人,
9eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;
10却把荣耀、尊贵与平安赐给所有行善的人,先是犹太人,后是希腊人。
10fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa. [ Gr. Grika]
11因为 神并不偏待人。
11Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.
12律法的作用刻在人心凡不在律法之下犯了罪的,将不按律法而灭亡;凡在律法之下犯了罪的,将按律法受审判。
12Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
13因为在 神面前,不是听律法的为义,而是行律法的得称为义。
13Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
14没有律法的外族人,如果按本性行律法上的事,他们虽然没有律法,自己就是自己的律法;
14fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
15这就表明律法的作用是刻在他们的心里,有他们的良心一同作证,他们的思想互相较量,或作控告、或作辩护。
15fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,-
16这也要照着我所传的福音,在 神借着耶稣基督审判各人隐情的那一天,彰显出来。
16amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
17内心作犹太人的才是犹太人你身为犹太人,倚靠律法,仗着 神夸口,
17Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao
18而且明白他的旨意,又从律法得了教导,能够辨别什么是好的,
18ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra, satria efa nampianarina ny lalàna ianao [ Na: samy hafa]
19自信是瞎子的向导,在黑暗中的人的光,
19ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,
20愚昧人的导师,小孩子的教师,在律法上得了整套的知识和真理;
20mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
21你既然教导别人,难道不教导自己吗?你传讲不可偷窃,自己却偷窃吗?
21ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
22你说不可奸淫,自己却奸淫吗?你憎恶偶像,自己却劫掠庙宇吗?
22Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
23你既然以律法夸口,自己却因犯律法而羞辱 神吗?
23Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va ianao amin'ny andikanao ny lalàna?
24正如经上所说的:“ 神的名,因你们的缘故在列邦中被亵渎。”
24Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5). [Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3]
25你若遵行律法,割礼固然有益处;但你若是犯律法的,你的割礼就不是割礼了。
25Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
26这样,没有受割礼的人,如果遵守律法所规定的,他虽然没有受过割礼,不也算是受过割礼的吗?
26Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
27那本来没有受割礼却遵守律法的人,就要审判你这有仪文和割礼而犯律法的人。
27Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
28因为表面上作犹太人的并不是犹太人,在肉身上表面的割礼也不是割礼。
28Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.
29唯有在内心作犹太人的才是犹太人;割礼也是心里的,是靠着圣灵而不是靠着仪文。这样的人所受的称赞,不是从人来的,而是从 神来的。
29fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.