聖經新譯本 (Simplified)

Malagasy

Romans

3

1犹太人独特的地方
1Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana?
2从各方面来说,的确很多。最重要的,是 神的圣言已经托付了他们。
2Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny.
3即使有人不信,又有什么关系呢?难道他们的不信会使 神的信实无效吗?
3Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra?
4绝不可能! 神总是诚实的,人却是虚谎的,正如经上所记:“你在话语上,显为公义;你被论断时,必然得胜。”
4Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady (Sal. 51. 4). [Na: tsaraina]
5我且照着人的见解来说,我们的不义若彰显 神的义,我们可以说什么呢?难道降怒的 神是不义的吗?
5Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho -
6绝对不是!如果是这样, 神怎能审判世界呢?
6Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
7但是 神的诚实,如果因我的虚谎而更加显出他的荣耀来,为什么我还要像罪人一样受审判呢?
7Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
8为什么不说:“我们去作恶以成善吧!”(有人毁谤我们,说我们讲过这话。)这种人被定罪是理所当然的。
8Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
9世上一个义人也没有那又怎么样呢?我们比他们强吗?绝不是的。因为我们已经控诉过,无论是犹太人或是希腊人,都在罪恶之下,
9Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa; [Na: Latsaka noho ireny va isika?] [ Gr. Grika]
10正如经上所说:“没有义人,连一个也没有,
10araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
11没有明白的,没有寻求 神的;
11Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.
12人人都偏离了正道,一同变成污秽;没有行善的,连一个也没有。
12Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
13他们的喉咙是敞开的坟墓,他们用舌头弄诡诈,他们嘴里有虺蛇的毒,
13Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);
14满口是咒骂和恶毒;
14Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
15为了杀人流血,他们的脚步飞快,
15Ny tongony mimaona handatsa-drà;
16在经过的路上留下毁灭和悲惨。
16Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany;
17和睦之道,他们不晓得,
17Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
18他们的眼中也不怕 神。” 
18Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).
19然而我们晓得,凡律法所说的,都是对在律法之下的人说的,好让每一个人都没有话可讲,使全世界的人都伏在 神的审判之下。
19Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,
20没有一个人可以靠行律法,在 神面前得称为义,因为借着律法,人对于罪才有充分的认识。
20satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
21因信基督白白称义现在,有律法和先知的话可以证明: 神的义在律法之外已经显明出来,
21[Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,
22就是 神的义,因着信耶稣基督,毫无区别地临到所有信的人。
22dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [ Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)]
23因为人人都犯了罪,亏缺了 神的荣耀,
23fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,
24但他们却因着 神的恩典,借着在基督耶稣里的救赎,就白白地称义。
24nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
25 神设立了耶稣为赎罪祭(“赎罪祭”原文作“蔽罪所”),是凭着他的血,借着人的信,为的是要显明 神的义;因为 神用忍耐的心宽容了人从前所犯的罪,
25Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [ Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]
26好在现今显明他的义,使人知道他自己为义,又称信耶稣的人为义。
26mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.
27这样,有什么可夸的呢?没有可夸的了。凭什么准则说没有的呢?凭行为吗?不是的,而是以信心为准则说的。
27Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.
28因为我们认定,人称义是由于信,并不是靠行律法。
28Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna.
29难道 神只是犹太人的 神吗?不也是外族人的 神吗?是的,他也是外族人的 神。
29Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa;
30 神既然只有一位,他就以信为准则称受割礼的为义,也要以信为准则称没有受割礼的为义。
30fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana.Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
31这样说来,我们以信废掉了律法吗?绝对不是,倒是巩固了律法。
31Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.