King James Version

Malagasy

Job

15

1Then answered Eliphaz the Temanite, and said,
1[Ny teny fanindroany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2Should a wise man utter vain knowledge, and fill his belly with the east wind?
2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,
3Should he reason with unprofitable talk? or with speeches wherewith he can do no good?
3Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
4Yea, thou castest off fear, and restrainest prayer before God.
4Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]
5For thy mouth uttereth thine iniquity, and thou choosest the tongue of the crafty.
5Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]
6Thine own mouth condemneth thee, and not I: yea, thine own lips testify against thee.
6Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
7Art thou the first man that was born? or wast thou made before the hills?
7Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?
8Hast thou heard the secret of God? and dost thou restrain wisdom to thyself?
8Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9What knowest thou, that we know not? what understandest thou, which is not in us?
9Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
10With us are both the grayheaded and very aged men, much elder than thy father.
10Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11Are the consolations of God small with thee? is there any secret thing with thee?
11Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?
12Why doth thine heart carry thee away? and what do thy eyes wink at,
12Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
13That thou turnest thy spirit against God, and lettest such words go out of thy mouth?
13Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
14What is man, that he should be clean? and he which is born of a woman, that he should be righteous?
14Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15Behold, he putteth no trust in his saints; yea, the heavens are not clean in his sight.
15Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]
16How much more abominable and filthy is man, which drinketh iniquity like water?
16Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
17I will shew thee, hear me; and that which I have seen I will declare;
17Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
18Which wise men have told from their fathers, and have not hid it:
18Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;
19Unto whom alone the earth was given, and no stranger passed among them.
19Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
20The wicked man travaileth with pain all his days, and the number of years is hidden to the oppressor.
20Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.
21A dreadful sound is in his ears: in prosperity the destroyer shall come upon him.
21Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
22He believeth not that he shall return out of darkness, and he is waited for of the sword.
22Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
23He wandereth abroad for bread, saying, Where is it? he knoweth that the day of darkness is ready at his hand.
23Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
24Trouble and anguish shall make him afraid; they shall prevail against him, as a king ready to the battle.
24Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]
25For he stretcheth out his hand against God, and strengtheneth himself against the Almighty.
25Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26He runneth upon him, even on his neck, upon the thick bosses of his bucklers:
26Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,
27Because he covereth his face with his fatness, and maketh collops of fat on his flanks.
27Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
28And he dwelleth in desolate cities, and in houses which no man inhabiteth, which are ready to become heaps.
28Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
29He shall not be rich, neither shall his substance continue, neither shall he prolong the perfection thereof upon the earth.
29Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin'ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]
30He shall not depart out of darkness; the flame shall dry up his branches, and by the breath of his mouth shall he go away.
30Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.
31Let not him that is deceived trust in vanity: for vanity shall be his recompence.
31Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
32It shall be accomplished before his time, and his branch shall not be green.
32Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
33He shall shake off his unripe grape as the vine, and shall cast off his flower as the olive.
33Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
34For the congregation of hypocrites shall be desolate, and fire shall consume the tabernacles of bribery.
34Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
35They conceive mischief, and bring forth vanity, and their belly prepareth deceit.
35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.