King James Version

Malagasy

Job

14

1Man that is born of a woman is of few days and full of trouble.
1Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
2He cometh forth like a flower, and is cut down: he fleeth also as a shadow, and continueth not.
2Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]
3And doth thou open thine eyes upon such an one, and bringest me into judgment with thee?
3kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana![Na: fitsaranao]
4Who can bring a clean thing out of an unclean? not one.
4Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
5Seeing his days are determined, the number of his months are with thee, thou hast appointed his bounds that he cannot pass;
5Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
6Turn from him, that he may rest, till he shall accomplish, as an hireling, his day.
6Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]
7For there is hope of a tree, if it be cut down, that it will sprout again, and that the tender branch thereof will not cease.
7Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
8Though the root thereof wax old in the earth, and the stock thereof die in the ground;
8Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,
9Yet through the scent of water it will bud, and bring forth boughs like a plant.
9Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
10But man dieth, and wasteth away: yea, man giveth up the ghost, and where is he?
10Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
11As the waters fail from the sea, and the flood decayeth and drieth up:
11Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
12So man lieth down, and riseth not: till the heavens be no more, they shall not awake, nor be raised out of their sleep.
12Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.
13O that thou wouldest hide me in the grave, that thou wouldest keep me secret, until thy wrath be past, that thou wouldest appoint me a set time, and remember me!
13Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
14If a man die, shall he live again? all the days of my appointed time will I wait, till my change come.
14Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako.[Na: fiovako]
15Thou shalt call, and I will answer thee: thou wilt have a desire to the work of thine hands.
15Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.
16For now thou numberest my steps: dost thou not watch over my sin?
16Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
17My transgression is sealed up in a bag, and thou sewest up mine iniquity.
17Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
18And surely the mountains falling cometh to nought, and the rock is removed out of his place.
18Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;
19The waters wear the stones: thou washest away the things which grow out of the dust of the earth; and thou destroyest the hope of man.
19Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.
20Thou prevailest for ever against him, and he passeth: thou changest his countenance, and sendest him away.
20Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
21His sons come to honour, and he knoweth it not; and they are brought low, but he perceiveth it not of them.
21Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
22But his flesh upon him shall have pain, and his soul within him shall mourn.
22Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.