1My breath is corrupt, my days are extinct, the graves are ready for me.
1Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
2Are there not mockers with me? and doth not mine eye continue in their provocation?
2Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
3Lay down now, put me in a surety with thee; who is he that will strike hands with me?
3Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
4For thou hast hid their heart from understanding: therefore shalt thou not exalt them.
4Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
5He that speaketh flattery to his friends, even the eyes of his children shall fail.
5Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.
6He hath made me also a byword of the people; and aforetime I was as a tabret.
6Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
7Mine eye also is dim by reason of sorrow, and all my members are as a shadow.
7Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
8Upright men shall be astonied at this, and the innocent shall stir up himself against the hypocrite.
8Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40
9The righteous also shall hold on his way, and he that hath clean hands shall be stronger and stronger.
9Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
10But as for you all, do ye return, and come now: for I cannot find one wise man among you.
10Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
11My days are past, my purposes are broken off, even the thoughts of my heart.
11Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;
12They change the night into day: the light is short because of darkness.
12Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
13If I wait, the grave is mine house: I have made my bed in the darkness.
13Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
14I have said to corruption, Thou art my father: to the worm, Thou art my mother, and my sister.
14Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalòvana]
15And where is now my hope? as for my hope, who shall see it?
15Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]
16They shall go down to the bars of the pit, when our rest together is in the dust.
16Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]