King James Version

Malagasy

Job

29

1Moreover Job continued his parable, and said,
1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2Oh that I were as in months past, as in the days when God preserved me;
2Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!
3When his candle shined upon my head, and when by his light I walked through darkness;
3Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;
4As I was in the days of my youth, when the secret of God was upon my tabernacle;
4Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;
5When the Almighty was yet with me, when my children were about me;
5Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;[Na: ny ankizilahiko]
6When I washed my steps with butter, and the rock poured me out rivers of oil;
6Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
7When I went out to the gate through the city, when I prepared my seat in the street!
7Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
8The young men saw me, and hid themselves: and the aged arose, and stood up.
8Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
9The princes refrained talking, and laid their hand on their mouth.
9Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
10The nobles held their peace, and their tongue cleaved to the roof of their mouth.
10Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.
11When the ear heard me, then it blessed me; and when the eye saw me, it gave witness to me:
11Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
12Because I delivered the poor that cried, and the fatherless, and him that had none to help him.
12Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13The blessing of him that was ready to perish came upon me: and I caused the widow's heart to sing for joy.
13Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.[Heb. nampihobiko]
14I put on righteousness, and it clothed me: my judgment was as a robe and a diadem.
14Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
15I was eyes to the blind, and feet was I to the lame.
15Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.
16I was a father to the poor: and the cause which I knew not I searched out.
16Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
17And I brake the jaws of the wicked, and plucked the spoil out of his teeth.
17Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
18Then I said, I shall die in my nest, and I shall multiply my days as the sand.
18Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
19My root was spread out by the waters, and the dew lay all night upon my branch.
19Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.
20My glory was fresh in me, and my bow was renewed in my hand.
20Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
21Unto me men gave ear, and waited, and kept silence at my counsel.
21Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.
22After my words they spake not again; and my speech dropped upon them.
22Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.
23And they waited for me as for the rain; and they opened their mouth wide as for the latter rain.
23Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
24If I laughed on them, they believed it not; and the light of my countenance they cast not down.
24Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
25I chose out their way, and sat chief, and dwelt as a king in the army, as one that comforteth the mourners.
25Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.