1Then Job answered and said,
1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2I know it is so of a truth: but how should man be just with God?
2Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
3If he will contend with him, he cannot answer him one of a thousand.
3Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
4He is wise in heart, and mighty in strength: who hath hardened himself against him, and hath prospered?
4Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
5Which removeth the mountains, and they know not: which overturneth them in his anger.
5Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,
6Which shaketh the earth out of her place, and the pillars thereof tremble.
6Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
7Which commandeth the sun, and it riseth not; and sealeth up the stars.
7Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
8Which alone spreadeth out the heavens, and treadeth upon the waves of the sea.
8Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
9Which maketh Arcturus, Orion, and Pleiades, and the chambers of the south.
9Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
10Which doeth great things past finding out; yea, and wonders without number.
10Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
11Lo, he goeth by me, and I see him not: he passeth on also, but I perceive him not.
11Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
12Behold, he taketh away, who can hinder him? who will say unto him, What doest thou?
12Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13If God will not withdraw his anger, the proud helpers do stoop under him.
13Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
14How much less shall I answer him, and choose out my words to reason with him?
14Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
15Whom, though I were righteous, yet would I not answer, but I would make supplication to my judge.
15Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.
16If I had called, and he had answered me; yet would I not believe that he had hearkened unto my voice.
16Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17For he breaketh me with a tempest, and multiplieth my wounds without cause.
17Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18He will not suffer me to take my breath, but filleth me with bitterness.
18Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
19If I speak of strength, lo, he is strong: and if of judgment, who shall set me a time to plead?
19Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20If I justify myself, mine own mouth shall condemn me: if I say, I am perfect, it shall also prove me perverse.
20Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
21Though I were perfect, yet would I not know my soul: I would despise my life.
21Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
22This is one thing, therefore I said it, He destroyeth the perfect and the wicked.
22Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23If the scourge slay suddenly, he will laugh at the trial of the innocent.
23Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]
24The earth is given into the hand of the wicked: he covereth the faces of the judges thereof; if not, where, and who is he?
24Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25Now my days are swifter than a post: they flee away, they see no good.
25Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26They are passed away as the swift ships: as the eagle that hasteth to the prey.
26Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]
27If I say, I will forget my complaint, I will leave off my heaviness, and comfort myself:
27Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28I am afraid of all my sorrows, I know that thou wilt not hold me innocent.
28Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29If I be wicked, why then labour I in vain?
29Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
30If I wash myself with snow water, and make my hands never so clean;
30Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
31Yet shalt thou plunge me in the ditch, and mine own clothes shall abhor me.
31Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
32For he is not a man, as I am, that I should answer him, and we should come together in judgment.
32Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
33Neither is there any daysman betwixt us, that might lay his hand upon us both.
33Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
34Let him take his rod away from me, and let not his fear terrify me:
34Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
35Then would I speak, and not fear him; but it is not so with me.
35Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.