King James Version

Malagasy

Proverbs

16

1The preparations of the heart in man, and the answer of the tongue, is from the LORD.
1Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
2All the ways of a man are clean in his own eyes; but the LORD weigheth the spirits.
2Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
3Commit thy works unto the LORD, and thy thoughts shall be established.
3Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
4The LORD hath made all things for himself: yea, even the wicked for the day of evil.
4Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.
5Every one that is proud in heart is an abomination to the LORD: though hand join in hand, he shall not be unpunished.
5Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.[Heb. Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia]
6By mercy and truth iniquity is purged: and by the fear of the LORD men depart from evil.
6Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy.
7When a man's ways please the LORD, he maketh even his enemies to be at peace with him.
7Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
8Better is a little with righteousness than great revenues without right.
8Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
9A man's heart deviseth his way: but the LORD directeth his steps.
9Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
10A divine sentence is in the lips of the king: his mouth transgresseth not in judgment.
10Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
11A just weight and balance are the LORD's: all the weights of the bag are his work.
11An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.[Heb. Asany]
12It is an abomination to kings to commit wickedness: for the throne is established by righteousness.
12Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.
13Righteous lips are the delight of kings; and they love him that speaketh right.
13Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
14The wrath of a king is as messengers of death: but a wise man will pacify it.
14Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
15In the light of the king's countenance is life; and his favour is as a cloud of the latter rain.
15Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.
16How much better is it to get wisdom than gold! and to get understanding rather to be chosen than silver!
16Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
17The highway of the upright is to depart from evil: he that keepeth his way preserveth his soul.
17Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.[Na: fanahiny]
18Pride goeth before destruction, and an haughty spirit before a fall.
18Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
19Better it is to be of an humble spirit with the lowly, than to divide the spoil with the proud.
19Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.
20He that handleth a matter wisely shall find good: and whoso trusteth in the LORD, happy is he.
20Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.
21The wise in heart shall be called prudent: and the sweetness of the lips increaseth learning.
21Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.
22Understanding is a wellspring of life unto him that hath it: but the instruction of fools is folly.
22Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany.
23The heart of the wise teacheth his mouth, and addeth learning to his lips.
23Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.
24Pleasant words are as an honeycomb, sweet to the soul, and health to the bones.
24Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
25There is a way that seemeth right unto a man, but the end thereof are the ways of death.
25Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
26He that laboureth laboureth for himself; for his mouth craveth it of him.
26Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.[Heb. miasa ho azy][Heb. vavany]
27An ungodly man diggeth up evil: and in his lips there is as a burning fire.
27Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
28A froward man soweth strife: and a whisperer separateth chief friends.
28Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
29A violent man enticeth his neighbour, and leadeth him into the way that is not good.
29Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.
30He shutteth his eyes to devise froward things: moving his lips he bringeth evil to pass.
30Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
31The hoary head is a crown of glory, if it be found in the way of righteousness.
31Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahazoana azy.
32He that is slow to anger is better than the mighty; and he that ruleth his spirit than he that taketh a city.
32Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
33The lot is cast into the lap; but the whole disposing thereof is of the LORD.
33Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.