King James Version

Malagasy

Proverbs

15

1A soft answer turneth away wrath: but grievous words stir up anger.
1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
2The tongue of the wise useth knowledge aright: but the mouth of fools poureth out foolishness.
2Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
3The eyes of the LORD are in every place, beholding the evil and the good.
3Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4A wholesome tongue is a tree of life: but perverseness therein is a breach in the spirit.
4Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.[Heb. lela]
5A fool despiseth his father's instruction: but he that regardeth reproof is prudent.
5Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
6In the house of the righteous is much treasure: but in the revenues of the wicked is trouble.
6Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
7The lips of the wise disperse knowledge: but the heart of the foolish doeth not so.
7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
8The sacrifice of the wicked is an abomination to the LORD: but the prayer of the upright is his delight.
8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
9The way of the wicked is an abomination unto the LORD: but he loveth him that followeth after righteousness.
9Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
10Correction is grievous unto him that forsaketh the way: and he that hateth reproof shall die.
10Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
11Hell and destruction are before the LORD: how much more then the hearts of the children of men?
11Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona![Heb. Sheola]
12A scorner loveth not one that reproveth him: neither will he go unto the wise.
12Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
13A merry heart maketh a cheerful countenance: but by sorrow of the heart the spirit is broken.
13Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
14The heart of him that hath understanding seeketh knowledge: but the mouth of fools feedeth on foolishness.
14Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
15All the days of the afflicted are evil: but he that is of a merry heart hath a continual feast.
15Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
16Better is little with the fear of the LORD than great treasure and trouble therewith.
16Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
17Better is a dinner of herbs where love is, than a stalled ox and hatred therewith.
17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo. [Heb. fitiavana][Heb. fankahalana]
18A wrathful man stirreth up strife: but he that is slow to anger appeaseth strife.
18Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
19The way of the slothful man is as an hedge of thorns: but the way of the righteous is made plain.
19Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara.
20A wise son maketh a glad father: but a foolish man despiseth his mother.
20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
21Folly is joy to him that is destitute of wisdom: but a man of understanding walketh uprightly.
21Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
22Without counsel purposes are disappointed: but in the multitude of counsellors they are established.
22Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
23A man hath joy by the answer of his mouth: and a word spoken in due season, how good is it!
23Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!
24The way of life is above to the wise, that he may depart from hell beneath.
24Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,[Heb. Sheola]
25The LORD will destroy the house of the proud: but he will establish the border of the widow.
25Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
26The thoughts of the wicked are an abomination to the LORD: but the words of the pure are pleasant words.
26Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.[Na: Fa ny madio manao]
27He that is greedy of gain troubleth his own house; but he that hateth gifts shall live.
27Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
28The heart of the righteous studieth to answer: but the mouth of the wicked poureth out evil things.
28Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
29The LORD is far from the wicked: but he heareth the prayer of the righteous.
29Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
30The light of the eyes rejoiceth the heart: and a good report maketh the bones fat.
30Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb. Ny fahazavan'ny maso]
31The ear that heareth the reproof of life abideth among the wise.
31Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry.
32He that refuseth instruction despiseth his own soul: but he that heareth reproof getteth understanding.
32Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
33The fear of the LORD is the instruction of wisdom; and before honour is humility.
33Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.