1Every wise woman buildeth her house: but the foolish plucketh it down with her hands.
1Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.[Heb. fahendren'ny vehivavy][Heb. fahadalana]
2He that walketh in his uprightness feareth the LORD: but he that is perverse in his ways despiseth him.
2Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
3In the mouth of the foolish is a rod of pride: but the lips of the wise shall preserve them.
3Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
4Where no oxen are, the crib is clean: but much increase is by the strength of the ox.
4Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.[Heb. madio]
5A faithful witness will not lie: but a false witness will utter lies.
5Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
6A scorner seeketh wisdom, and findeth it not: but knowledge is easy unto him that understandeth.
6Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
7Go from the presence of a foolish man, when thou perceivest not in him the lips of knowledge.
7Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
8The wisdom of the prudent is to understand his way: but the folly of fools is deceit.
8Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
9Fools make a mock at sin: but among the righteous there is favour.
9Ny adala ihomehezan'ny fanati-panonerana; Fa ao amin'ny marina no misy fankasitrahana.[Na: Ihomehezan'ny adala ny heloka]
10The heart knoweth his own bitterness; and a stranger doth not intermeddle with his joy.
10Ny fo no mahalala ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
11The house of the wicked shall be overthrown: but the tabernacle of the upright shall flourish.
11Ravana ny tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.
12There is a way which seemeth right unto a man, but the end thereof are the ways of death.
12Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
13Even in laughter the heart is sorrowful; and the end of that mirth is heaviness.
13Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.
14The backslider in heart shall be filled with his own ways: and a good man shall be satisfied from himself.
14Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
15The simple believeth every word: but the prudent man looketh well to his going.
15Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
16A wise man feareth, and departeth from evil: but the fool rageth, and is confident.
16Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.[Na: misafoaka]
17He that is soon angry dealeth foolishly: and a man of wicked devices is hated.
17Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
18The simple inherit folly: but the prudent are crowned with knowledge.
18Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.[Na: mandray fahalalana]
19The evil bow before the good; and the wicked at the gates of the righteous.
19Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.
20The poor is hated even of his own neighbour: but the rich hath many friends.
20Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
21He that despiseth his neighbour sinneth: but he that hath mercy on the poor, happy is he.
21Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo amin'ny ory!
22Do they not err that devise evil? but mercy and truth shall be to them that devise good.
22Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa tsara. [Na: misaina ny][Na. misaina ny]
23In all labour there is profit: but the talk of the lips tendeth only to penury.
23Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
24The crown of the wise is their riches: but the foolishness of fools is folly.
24Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
25A true witness delivereth souls: but a deceitful witness speaketh lies.
25Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
26In the fear of the LORD is strong confidence: and his children shall have a place of refuge.
26Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
27The fear of the LORD is a fountain of life, to depart from the snares of death.
27Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28In the multitude of people is the king's honour: but in the want of people is the destruction of the prince.
28Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
29He that is slow to wrath is of great understanding: but he that is hasty of spirit exalteth folly.
29Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
30A sound heart is the life of the flesh: but envy the rottenness of the bones.
30Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
31He that oppresseth the poor reproacheth his Maker: but he that honoureth him hath mercy on the poor.
31Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
32The wicked is driven away in his wickedness: but the righteous hath hope in his death.
32Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.[Na: roahina]
33Wisdom resteth in the heart of him that hath understanding: but that which is in the midst of fools is made known.
33Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
34Righteousness exalteth a nation: but sin is a reproach to any people.
34Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olonaNy fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.
35The king's favour is toward a wise servant: but his wrath is against him that causeth shame.
35Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.