1Through desire a man, having separated himself, seeketh and intermeddleth with all wisdom.
1Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
2A fool hath no delight in understanding, but that his heart may discover itself.
2Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
3When the wicked cometh, then cometh also contempt, and with ignominy reproach.
3Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra.
4The words of a man's mouth are as deep waters, and the wellspring of wisdom as a flowing brook.
4Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,
5It is not good to accept the person of the wicked, to overthrow the righteous in judgment.
5Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana.
6A fool's lips enter into contention, and his mouth calleth for strokes.
6Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
7A fool's mouth is his destruction, and his lips are the snare of his soul.
7Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
8The words of a talebearer are as wounds, and they go down into the innermost parts of the belly.
8Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
9He also that is slothful in his work is brother to him that is a great waster.
9Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.
10The name of the LORD is a strong tower: the righteous runneth into it, and is safe.
10Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.[Heb. atao amin'ny avo]
11The rich man's wealth is his strong city, and as an high wall in his own conceit.
11Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
12Before destruction the heart of man is haughty, and before honour is humility.
12Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13He that answereth a matter before he heareth it, it is folly and shame unto him.
13Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
14The spirit of a man will sustain his infirmity; but a wounded spirit who can bear?
14Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
15The heart of the prudent getteth knowledge; and the ear of the wise seeketh knowledge.
15Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany.
16A man's gift maketh room for him, and bringeth him before great men.
16Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
17He that is first in his own cause seemeth just; but his neighbour cometh and searcheth him.
17Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
18The lot causeth contentions to cease, and parteth between the mighty.
18Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
19A brother offended is harder to be won than a strong city: and their contentions are like the bars of a castle.
19Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka.
20A man's belly shall be satisfied with the fruit of his mouth; and with the increase of his lips shall he be filled.
20Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
21Death and life are in the power of the tongue: and they that love it shall eat the fruit thereof.
21Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
22Whoso findeth a wife findeth a good thing, and obtaineth favour of the LORD.
22Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.
23The poor useth intreaties; but the rich answereth roughly.
23Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.[Na: tsy maintsy hita fa ratsy]
24A man that hath friends must shew himself friendly: and there is a friend that sticketh closer than a brother.
24Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.[Na: tsy maintsy hita fa ratsy]