King James Version

Malagasy

Psalms

123

1Unto thee lift I up mine eyes, O thou that dwellest in the heavens.
1[Fanantenana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fanebahana sy ny fanamavoana] Fihirana fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2Behold, as the eyes of servants look unto the hand of their masters, and as the eyes of a maiden unto the hand of her mistress; so our eyes wait upon the LORD our God, until that he have mercy upon us.
2Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.
3Have mercy upon us, O LORD, have mercy upon us: for we are exceedingly filled with contempt.
3Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.
4Our soul is exceedingly filled with the scorning of those that are at ease, and with the contempt of the proud.
4Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.