King James Version

Malagasy

Psalms

124

1If it had not been the LORD who was on our side, now may Israel say;
1[Fisaorana an'Andriamanitra noho ny nanafahany ny mpanompony saiky tra-doza] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2If it had not been the LORD who was on our side, when men rose up against us:
2Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
3Then they had swallowed us up quick, when their wrath was kindled against us:
3Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4Then the waters had overwhelmed us, the stream had gone over our soul:
4Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
5Then the proud waters had gone over our soul.
5Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
6Blessed be the LORD, who hath not given us as a prey to their teeth.
6Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.
7Our soul is escaped as a bird out of the snare of the fowlers: the snare is broken, and we are escaped.
7Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
8Our help is in the name of the LORD, who made heaven and earth.
8Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.