1Unto thee, O LORD, do I lift up my soul.
1[Salamo abidy. Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.
2O my God, I trust in thee: let me not be ashamed, let not mine enemies triumph over me.
2Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.
3Yea, let none that wait on thee be ashamed: let them be ashamed which transgress without cause.
3Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
4Shew me thy ways, O LORD; teach me thy paths.
4Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
5Lead me in thy truth, and teach me: for thou art the God of my salvation; on thee do I wait all the day.
5Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.
6Remember, O LORD, thy tender mercies and thy lovingkindnesses; for they have been ever of old.
6Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
7Remember not the sins of my youth, nor my transgressions: according to thy mercy remember thou me for thy goodness' sake, O LORD.
7Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
8Good and upright is the LORD: therefore will he teach sinners in the way.
8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
9The meek will he guide in judgment: and the meek will he teach his way.
9Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
10All the paths of the LORD are mercy and truth unto such as keep his covenant and his testimonies.
10Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
11For thy name's sake, O LORD, pardon mine iniquity; for it is great.
11Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
12What man is he that feareth the LORD? him shall he teach in the way that he shall choose.
12Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
13His soul shall dwell at ease; and his seed shall inherit the earth.
13Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
14The secret of the LORD is with them that fear him; and he will shew them his covenant.
14Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
15Mine eyes are ever toward the LORD; for he shall pluck my feet out of the net.
15Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.
16Turn thee unto me, and have mercy upon me; for I am desolate and afflicted.
16Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
17The troubles of my heart are enlarged: O bring thou me out of my distresses.
17Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.
18Look upon mine affliction and my pain; and forgive all my sins.
18Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
19Consider mine enemies; for they are many; and they hate me with cruel hatred.
19Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
20O keep my soul, and deliver me: let me not be ashamed; for I put my trust in thee.
20Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
21Let integrity and uprightness preserve me; for I wait on thee.
21Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
22Redeem Israel, O God, out of all his troubles.
22Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.