1I will extol thee, O LORD; for thou hast lifted me up, and hast not made my foes to rejoice over me.
1[Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
2O LORD my God, I cried unto thee, and thou hast healed me.
2Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3O LORD, thou hast brought up my soul from the grave: thou hast kept me alive, that I should not go down to the pit.
3Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
4Sing unto the LORD, O ye saints of his, and give thanks at the remembrance of his holiness.
4Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.[Heb: fahatsiarovana]
5For his anger endureth but a moment; in his favour is life: weeping may endure for a night, but joy cometh in the morning.
5Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
6And in my prosperity I said, I shall never be moved.
6Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
7LORD, by thy favour thou hast made my mountain to stand strong: thou didst hide thy face, and I was troubled.
7Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
8I cried to thee, O LORD; and unto the LORD I made supplication.
8Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
9What profit is there in my blood, when I go down to the pit? Shall the dust praise thee? shall it declare thy truth?
9Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
10Hear, O LORD, and have mercy upon me: LORD, be thou my helper.
10Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11Thou hast turned for me my mourning into dancing: thou hast put off my sackcloth, and girded me with gladness;
11Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
12To the end that my glory may sing praise to thee, and not be silent. O LORD my God, I will give thanks unto thee for ever.
12Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]