1In thee, O LORD, do I put my trust; let me never be ashamed: deliver me in thy righteousness.
1[Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
2Bow down thine ear to me; deliver me speedily: be thou my strong rock, for an house of defence to save me.
2Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
3For thou art my rock and my fortress; therefore for thy name's sake lead me, and guide me.
3Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
4Pull me out of the net that they have laid privily for me: for thou art my strength.
4Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
5Into thine hand I commit my spirit: thou hast redeemed me, O LORD God of truth.
5Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
6I have hated them that regard lying vanities: but I trust in the LORD.
6Halako izay mivavaka amin'ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga]
7I will be glad and rejoice in thy mercy: for thou hast considered my trouble; thou hast known my soul in adversities;
7Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko,
8And hast not shut me up into the hand of the enemy: thou hast set my feet in a large room.
8ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.
9Have mercy upon me, O LORD, for I am in trouble: mine eye is consumed with grief, yea, my soul and my belly.
9Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.
10For my life is spent with grief, and my years with sighing: my strength faileth because of mine iniquity, and my bones are consumed.
10Fa lanin'alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
11I was a reproach among all mine enemies, but especially among my neighbours, and a fear to mine acquaintance: they that did see me without fled from me.
11Noho ny ataon'ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
12I am forgotten as a dead man out of mind: I am like a broken vessel.
12Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
13For I have heard the slander of many: fear was on every side: while they took counsel together against me, they devised to take away my life.
13Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
14But I trusted in thee, O LORD: I said, Thou art my God.
14Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
15My times are in thy hand: deliver me from the hand of mine enemies, and from them that persecute me.
15Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
16Make thy face to shine upon thy servant: save me for thy mercies' sake.
16Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
17Let me not be ashamed, O LORD; for I have called upon thee: let the wicked be ashamed, and let them be silent in the grave.
17Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb: Sheola]
18Let the lying lips be put to silence; which speak grievous things proudly and contemptuously against the righteous.
18Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny fanamavoana.
19Oh how great is thy goodness, which thou hast laid up for them that fear thee; which thou hast wrought for them that trust in thee before the sons of men!
19Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!
20Thou shalt hide them in the secret of thy presence from the pride of man: thou shalt keep them secretly in a pavilion from the strife of tongues.
20Hanafina azy ao amin'ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra izy.
21Blessed be the LORD: for he hath shewed me his marvellous kindness in a strong city.
21Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
22For I said in my haste, I am cut off from before thine eyes: nevertheless thou heardest the voice of my supplications when I cried unto thee.
22Fa hoy izaho tamin'ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
23O love the LORD, all ye his saints: for the LORD preserveth the faithful, and plentifully rewardeth the proud doer.
23Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
24Be of good courage, and he shall strengthen your heart, all ye that hope in the LORD.
24Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.