King James Version

Malagasy

Psalms

52

1Why boastest thou thyself in mischief, O mighty man? the goodness of God endureth continually.
1[Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.
2The tongue deviseth mischiefs; like a sharp razor, working deceitfully.
2Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
3Thou lovest evil more than good; and lying rather than to speak righteousness. Selah.
3Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.
4Thou lovest all devouring words, O thou deceitful tongue.
4Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
5God shall likewise destroy thee for ever, he shall take thee away, and pluck thee out of thy dwelling place, and root thee out of the land of the living. Selah.
5Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. [Na: hanongana]
6The righteous also shall see, and fear, and shall laugh at him:
6Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
7Lo, this is the man that made not God his strength; but trusted in the abundance of his riches, and strengthened himself in his wickedness.
7Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany.
8But I am like a green olive tree in the house of God: I trust in the mercy of God for ever and ever.
8Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho.Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany.
9I will praise thee for ever, because thou hast done it: and I will wait on thy name; for it is good before thy saints.
9Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany.