King James Version

Malagasy

Psalms

63

1O God, thou art my God; early will I seek thee: my soul thirsteth for thee, my flesh longeth for thee in a dry and thirsty land, where no water is;
1[Ny hetahetan'ny fanahy maniry an'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
2To see thy power and thy glory, so as I have seen thee in the sanctuary.
2Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
3Because thy lovingkindness is better than life, my lips shall praise thee.
3Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
4Thus will I bless thee while I live: I will lift up my hands in thy name.
4Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
5My soul shall be satisfied as with marrow and fatness; and my mouth shall praise thee with joyful lips:
5Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.
6When I remember thee upon my bed, and meditate on thee in the night watches.
6Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
7Because thou hast been my help, therefore in the shadow of thy wings will I rejoice.
7Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
8My soul followeth hard after thee: thy right hand upholdeth me.
8Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
9But those that seek my soul, to destroy it, shall go into the lower parts of the earth.
9Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
10They shall fall by the sword: they shall be a portion for foxes.
10Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy.[volpa]Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
11But the king shall rejoice in God; every one that sweareth by him shall glory: but the mouth of them that speak lies shall be stopped.
11Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.