King James Version

Malagasy

Psalms

64

1Hear my voice, O God, in my prayer: preserve my life from fear of the enemy.
1[Fiantsoana an'Andriamanitra hanafaka amin'ny fandrika amam-pitaka ataon'ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo.
2Hide me from the secret counsel of the wicked; from the insurrection of the workers of iniquity:
2Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,
3Who whet their tongue like a sword, and bend their bows to shoot their arrows, even bitter words:
3Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
4That they may shoot in secret at the perfect: suddenly do they shoot at him, and fear not.
4Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
5They encourage themselves in an evil matter: they commune of laying snares privily; they say, Who shall see them?
5Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
6They search out iniquities; they accomplish a diligent search: both the inward thought of every one of them, and the heart, is deep.
6Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony.
7But God shall shoot at them with an arrow; suddenly shall they be wounded.
7Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.
8So they shall make their own tongue to fall upon themselves: all that see them shall flee away.
8Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.[Na: Mihifikifi-doha]
9And all men shall fear, and shall declare the work of God; for they shall wisely consider of his doing.
9Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.
10The righteous shall be glad in the LORD, and shall trust in him; and all the upright in heart shall glory.
10Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.