King James Version

Malagasy

Psalms

84

1How amiable are thy tabernacles, O LORD of hosts!
1[Alahelo ny tranon'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!
2My soul longeth, yea, even fainteth for the courts of the LORD: my heart and my flesh crieth out for the living God.
2Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona.
3Yea, the sparrow hath found an house, and the swallow a nest for herself, where she may lay her young, even thine altars, O LORD of hosts, my King, and my God.
3Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
4Blessed are they that dwell in thy house: they will be still praising thee. Selah.
4Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.
5Blessed is the man whose strength is in thee; in whose heart are the ways of them.
5Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
6Who passing through the valley of Baca make it a well; the rain also filleth the pools.
6Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.[Baka = Fitomaniana]
7They go from strength to strength, every one of them in Zion appeareth before God.
7Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
8O LORD God of hosts, hear my prayer: give ear, O God of Jacob. Selah.
8Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.
9Behold, O God our shield, and look upon the face of thine anointed.
9Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.
10For a day in thy courts is better than a thousand. I had rather be a doorkeeper in the house of my God, than to dwell in the tents of wickedness.
10Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy.
11For the LORD God is a sun and shield: the LORD will give grace and glory: no good thing will he withhold from them that walk uprightly.
11Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
12O LORD of hosts, blessed is the man that trusteth in thee.
12Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.