1As snow in summer, and as rain in harvest, So honour [is] not comely for a fool.
1Toy ny oram-panala amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala.
2As a bird by wandering, as a swallow by flying, So reviling without cause doth not come.
2Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
3A whip is for a horse, a bridle for an ass, And a rod for the back of fools.
3Ny karavasy ho amin'ny soavaly ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.
4Answer not a fool according to his folly, Lest thou be like to him — even thou.
4Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5Answer a fool according to his folly, Lest he be wise in his own eyes.
5Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
6He is cutting off feet, he is drinking injury, Who is sending things by the hand of a fool.
6Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
7Weak have been the two legs of the lame, And a parable in the mouth of fools.
7Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
8As one who is binding a stone in a sling, So [is] he who is giving honour to a fool.
8Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
9A thorn hath gone up into the hand of a drunkard, And a parable in the mouth of fools.
9Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
10Great [is] the Former of all, And He is rewarding a fool, And is rewarding transgressors.
10Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.[Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny olona rehetra, Dia toy izany ny manakarama ny adala sy manakarama izay sendra mandalo]
11As a dog hath returned to its vomit, A fool is repeating his folly.
11Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
12Thou hast seen a man wise in his own eyes, More hope of a fool than of him!
12Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
13The slothful hath said, `A lion [is] in the way, A lion [is] in the broad places.`
13Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
14The door turneth round on its hinge, And the slothful on his bed.
14Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,
15The slothful hath hid his hand in a dish, He is weary of bringing it back to his mouth.
15Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.
16Wiser [is] the slothful in his own eyes, Than seven [men] returning a reason.
16Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
17Laying hold on the ears of a dog, [Is] a passer-by making himself wrath for strife not his own.
17Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.
18As [one] pretending to be feeble, Who is casting sparks, arrows, and death,
18Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
19So hath a man deceived his neighbour, And hath said, `Am not I playing?`
19Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
20Without wood is fire going out, And without a tale-bearer, contention ceaseth,
20Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
21Coal to burning coals, and wood to fire, And a man of contentions to kindle strife.
21Toy ny arina atao amin'ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
22The words of a tale-bearer [are] as self-inflicted wounds, And they have gone down [to] the inner parts of the heart.
22Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
23Silver of dross spread over potsherd, [Are] burning lips and an evil heart.
23Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.[Heb. mirehitra]
24By his lips doth a hater dissemble, And in his heart he placeth deceit,
24Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
25When his voice is gracious trust not in him, For seven abominations [are] in his heart.
25Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26Hatred is covered by deceit, Revealed is its wickedness in an assembly.
26Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
27Whoso is digging a pit falleth into it, And the roller of a stone, to him it turneth.
27Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
28A lying tongue hateth its bruised ones, And a flattering mouth worketh an overthrow!
28Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.