Czech BKR

Malagasy

1 Kings

17

1Tedy Eliáš Tesbitský, obyvatel Galádský, mluvil k Achabovi: Živť jest Hospodin Bůh Izraelský, před jehož oblíčejem stojím, že nebude těchto let rosy ani deště, jediné vedlé řeči mé.
1[Ny niandohan'ny asan'i Elia mpaminany] Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
2I stalo se slovo Hospodinovo k němu, řkoucí:
2Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
3Odejdi odsud a obrať se k východu, a skrej se u potoka Karit, kterýž jest naproti Jordánu.
3Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana.
4A budeš z toho potoka píti, krkavcům pak jsem přikázal, aby tě tam krmili.
4Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
5Kterýž odšed, učinil, jakž mu přikázal Hospodin. Nebo odšed, usadil se při potoku Karit, kterýž byl proti Jordánu.
5Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana.
6A krkavci přinášeli jemu chléb a maso každého jitra, též chléb a maso každého večera, a z potoka pil.
6Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany.
7Tedy po přeběhnutí dnů některých vysechl ten potok, nebo nebylo žádného deště v té zemi.
7Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany.
8I stalo se slovo Hospodinovo k němu, řkoucí:
8Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:
9Vstaň a jdi do Sarepty Sidonské, a buď tam. Aj, přikázal jsem ženě vdově, aby tě živila.
9Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
10Kterýž vstav, šel do Sarepty, a přišel k bráně města, a aj, žena vdova sbírala tu dříví. A zavolav jí, řekl: Medle, přines mi trochu vody v nádobě, abych se napil.
10Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko.
11A když šla, aby přinesla, zavolal jí zase a řekl: Medle, přines mi také kousek chleba v ruce své.
11Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
12I odpověděla: Živť jest Hospodin Bůh tvůj, žeť nemám žádného chleba, ani podpopelného, kromě hrsti mouky v kbelíku a maličko oleje v nádobce, a aj, sbírám dvě dřevě, abych šla a připravila to sobě a synu svému, abychom snědouce to, za tím zemříti musili.
12Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
13I řekl jí Eliáš: Neboj se. Jdi a učiň, jakž jsi řekla, a však udělej mi prvé z toho malý chléb podpopelný a přines mi; potom sobě a synu svému uděláš.
13Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
14Neboť toto praví Hospodin Bůh Izraelský: Mouka z kbelíka toho nebude strávena, aniž oleje v nádobce té ubude až do toho dne, když dá Hospodin déšť na zemi.
14Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany.
15I šla a učinila vedlé řeči Eliášovy, a jedla ona i on i čeled její až do těch dní.
15Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
16Z kbelíka toho mouka nebyla strávena, aniž oleje v nádobce ubylo, vedlé řeči Hospodinovy, kterouž mluvil skrze Eliáše.
16Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia.
17A když to přeběhlo, stalo se, že se roznemohl syn ženy, paní toho domu, a byla nemoc jeho velmi těžká, tak že nezůstalo v něm dýchání.
17Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy.
18Protož řekla Eliášovi: Co mně a tobě, muži Boží? Přišel jsi ke mně, abys mi připomenul nepravost mou, a umořil syna mého?
18Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô ? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako ?
19Kterýž odpověděl jí: Dej sem syna svého. A vzav ho z lůna jejího, vnesl jej na síň, kdež sám přebýval, a položil ho na lůžko své.
19Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
20Tedy volal k Hospodinu a řekl: Hospodine Bože můj, také-liž s tou vdovou, u kteréž pohostinu jsem, tak zle nakládáš, že jsi umořil syna jejího?
20Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
21A roztáh se nad dítětem po třikrát, zvolal k Hospodinu a řekl: Hospodine Bože můj, prosím, nechť se navrátí duše dítěte tohoto do vnitřností jeho.
21Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity.
22I vyslyšel Hospodin hlas Eliášův, a navrátila se duše dítěte do vnitřností jeho, i ožilo.
22Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy.
23A vzav Eliáš dítě, snesl je z síně do domu, a dal je matce jeho. I řekl Eliáš: Pohleď, syn tvůj živ jest.
23Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao.
24Tedy řekla žena Eliášovi: Jižť jsem nyní poznala, že jsi muž Boží, a že řeč Hospodinova v ústech tvých jest pravá.
24Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao.