Czech BKR

Malagasy

1 Kings

18

1Potom po mnohých dnech, po třetím tom létě, stalo se slovo Hospodinovo k Eliášovi, řkoucí: Jdi, ukaž se Achabovi, neboť dám déšť na zemi.
1[Ny nihaonan'i Elia tamin'i Ahaba. sy ny nandreseny ny mpaminanin'i Bala] Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Jehovah tamin'ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho.
2Odšel tedy Eliáš, aby se ukázal Achabovi. Byl pak hlad veliký v Samaří.
2Dia niainga Elia hiseho amin'i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
3I povolal Achab Abdiáše, kterýž byl představen domu jeho. (Abdiáš pak bál se Hospodina velmi.
3Ary Ahaba niantso an'i Obadia, izay lehiben'ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an'i Jehovah tokoa,
4Nebo když Jezábel mordovala proroky Hospodinovy, vzal Abdiáš sto proroků a skryl je po padesáti v jeskyni, a krmil je chlebem a vodou.)
4ka nony naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
5A řekl Achab Abdiášovi: Jdi skrze tu zemi ke všechněm studnicím vod, a ke všechněm potokům, zdali bychom kde nalezli trávu, abychom živé zachovali koně a mezky, a nezmořili dobytka.
5Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin'ny loharano rehetra sy hatrany amin'ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
6I rozdělili sobě zemi, kterouž by prošli. Achab šel jednou cestou sám, Abdiáš také šel cestou druhou sám.
6Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin'ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin'ny lalana iray.
7A když Abdiáš byl na cestě, aj, Eliáš potkal se s ním. Kterýž když ho poznal, padl na tvář svou a řekl: Nejsi-liž ty, pane můj, Eliáš?
7Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
8Odpověděl jemu: Jsem. Jdi, pověz pánu svému: Aj, Eliáš přišel.
8Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
9Jemuž řekl: Což jsem zhřešil, že služebníka svého vydati chceš v ruku Achabovu, aby mne zamordoval?
9Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan'i Ahaba hamonoany ahy?
10Živť jest Hospodin Bůh tvůj, žeť není národu ani království, kamž by neposlal pán můj hledati tě, a když řekli, že tebe není, přísahy požádal od království a národu, že tě nemohou nalezti.
10Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan'ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
11A ty nyní pravíš: Jdi, pověz pánu svému: Aj, Eliáš přišel.
11Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
12I stalo by se, že jakž bych odšel od tebe, tedy duch Hospodinův zanesl by tě nevím kam, já pak jda, oznámil bych Achabovi, a když by tě nenalezl, zabil by mne. Služebník zajisté tvůj bojí se Hospodina od mladosti své.
12Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin'ny Fanahin'i Jehovah any amin'izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin'i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an'i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
13Zdaliž není oznámeno pánu mému, co jsem učinil, když Jezábel mordovala proroky Hospodinovy, že jsem skryl z proroků Hospodinových sto mužů, po padesáti mužích v jeskyni, a krmil jsem je chlebem a vodou?
13Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin'i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
14Ty pak nyní pravíš: Jdi, pověz pánu svému: Aj, Eliáš přišel. A zamordujeť mne.
14Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin'ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
15Odpověděl Eliáš: Živť jest Hospodin zástupů, před jehož oblíčejem stojím, žeť se jemu dnes ukáži.
15Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
16A tak šel Abdiáš vstříc Achabovi, a oznámil jemu. Pročež šel i Achab v cestu Eliášovi.
16Dia lasa Obadia nitsena an'i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an'i Elia.
17A když uzřel Achab Eliáše, řekl Achab k němu: Zdaliž ty nejsi ten, kterýž kormoutíš lid Izraelský?
17Ary nony hitan'i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin'ny Isiraely!
18Kterýž odpověděl: Jáť nekormoutím lidu Izraelského, ale ty a dům otce tvého, když opouštíte přikázaní Hospodinova a následujete Bálů.
18Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin'ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin'ny rainao ihany tamin'ny nandavanareo ny didin'i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
19Protož nyní pošli a shromažď ke mně všecken lid Izraelský na horu Karmel, a proroků Bálových čtyři sta a padesáte, i proroků toho háje čtyři sta, kteříž jedí z stolu Jezábel.
19Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin'i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin'ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin'ny latabatr'i Jezebela.
20Obeslal tedy Achab všecky syny Izraelské, a shromáždil ty proroky na horu Karmel.
20Dia naniraka tany amin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
21A přistoupiv Eliáš ke všemu lidu, řekl: I dokudž kulhati budete na obě straně? Jestližeť jest Hospodin Bohem, následujtež ho; pakli jest Bál, jdětež za ním. A neodpověděl jemu lid žádného slova.
21Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
22Opět řekl Eliáš lidu: Já sám toliko pozůstal jsem prorok Hospodinův, proroků pak Bálových jest čtyři sta a padesáte mužů.
22Dia hoy Elia tamin'ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin'ny mpaminanin'i Jehovah; fa ny mpaminanin'i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy.
23Nechť jsou nám dáni dva volkové, a ať vyberou sobě volka jednoho, kteréhož nechť rozsekají na kusy a vkladou na dříví, ale ohně ať nepodkládají. Jáť také připravím volka druhého, kteréhož vložím na dříví, a ohně nepodložím.
23Koa aoka ireo no hanome vantotr'ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
24Tedy vzývejte jméno bohů vašich, já pak vzývati budu jméno Hospodinovo, a budeť to, že Bůh, kterýž se ohlásí skrze oheň, ten jest Bůh. A odpověděl všecken lid, řka: Dobráť jest řeč tato.
24Ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.
25I řekl Eliáš prorokům Bálovým: Vybeřte sobě volka jednoho a připravte ho nejprvé, poněvadž jest vás více, a vzývejte jméno bohů vašich, ale ohně nepodkládejte.
25Ary hoy Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: Mifidiana vantotr'ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
26A tak vzali volka, kteréhož jim dal, a připravili a vzývali jméno Bálovo od jitra až do poledne, říkajíce: Ó Báli, uslyš nás. Ale nebylo hlasu, ani kdo by odpověděl. I skákali u oltáře, kterýž byli udělali.
26Dia naka ny vantotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô. henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay nataony izy.
27Když pak bylo poledne, posmíval se jim Eliáš a řekl: Křičte vysokým hlasem, poněvadž bůh jest. Neb snad rozmlouvání má, neb jinou práci, neb jest na cestě, anebť spí, ať procítí.
27Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
28Takž křičeli hlasem velikým, a bodli se vedlé obyčeje svého nožíky a špicemi, tak až se krví polívali.
28Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin'ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin'ny tenany.
29I stalo se, když již bylo s poledne, že prorokovali až dotud, když se obětuje obět suchá, ale nebylo žádného se ohlášení, ani kdo by odpověděl, ani kdo by vyslyšel.
29Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
30Zatím řekl Eliáš všemu lidu: Přistuptež ke mně. I přistoupil všecken lid k němu. Tedy opravil oltář Hospodinův, kterýž byl zbořený.
30Ary hoy Elia tamin'ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran'i Jehovah izay efa rava
31Nebo vzal Eliáš dvanácte kamenů, (vedlé počtu pokolení synů Jákobových, k němuž se byla stala řeč Hospodinova, že Izrael bude jméno jeho),
31ka naka vato roa ambin'ny folo, araka ny isan'ny firenen'ny zanak'i Jakoba, izay nihavian'ilay tenin'i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;
32A vzdělal z těch kamenů oltář ve jménu Hospodinovu; udělal také struhu vůkol oltáře zšíří, co by mohl dvě míry obilé vsíti.
32ary izany vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan'ny famarana. [Na: mahalany][Heb. sea]
33Narovnal i dříví, a rozsekav volka na kusy, vkladl na dříví.
33Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr'ombilahy ka nametraka azy teo ambonin'ny kitay hazo,
34A řekl: Naplňte čtyři stoudve vodou, a vylíte na obět zápalnou i na dříví. Řekl opět: Učiňtež to po druhé. I učinili po druhé.Řekl ještě: Po třetí učiňte. I učinili po třetí,
34dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
35Tak že tekly vody okolo oltáře; také i struhu naplnila voda.
35Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
36Stalo se pak, když se obětuje obět suchá, přistoupil Eliáš prorok a řekl: Hospodine Bože Abrahamův, Izákův a Izraelův, nechť dnes poznají, že jsi ty Bůh v Izraeli, a já služebník tvůj, a že jsem vedlé slova tvého činil všecky věci tyto.
36Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
37Vyslyš mne, Hospodine, vyslyš mne, aťby poznal lid tento, že jsi ty, Hospodine, Bohem, když bys obrátil srdce jejich zase.
37Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
38V tom spadl oheň Hospodinův, a spálil obět zápalnou, dříví i kamení i prsť; též vodu, kteráž byla v struze, vypil.
38Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely.
39Což když uzřel všecken ten lid, padli na tváři své a řekli: Hospodinť jest Bohem, Hospodin jest Bohem.
39Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
40I řekl jim Eliáš: Zjímejte ty proroky Bálovy, žádný ať z nich neujde. I zjímali je. Kteréž svedl Eliáš ku potoku Císon, a tam je zmordoval.
40Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin'i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin'ny olona izy; ary nentin'i Elia ho eo amin'ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
41Tedy řekl Eliáš Achabovi: Jdi, pojez a napí se, nebo aj, zvuk velikého deště.
41Ary hoy Elia tamin'i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
42I jel Achab, aby pojedl a napil se. Eliáš pak vstoupil na vrch Karmele, a rozprostřel se na zemi a sklonil tvář svou k kolenům svým.
42Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon'i Karmela, dia niankohoka tamin'ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan'ny lohaliny
43Potom řekl mládenci svému: Vystup nyní, a pohleď tam k moři. Kterýž vystoupiv, pohleděl a řekl: Nic není. Řekl opět: Vrať se po sedmkrát.
43Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
44I stalo se po sedmé, řekl: Aj, oblak maličký jako dlaň člověčí vystupuje z moře. Ještě řekl: Jdi, rci Achabovi: Zapřáhej a jeď, aby tě nezastihl déšť.
44Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin'i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan'ny ranonorana ianao.
45Stalo se mezi tím, když se nebesa zamračila oblakem a větrem, odkudž byl déšť veliký, že jel Achab a přišel do Jezreel.
45Ary vetivety dia maintin'ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin'ny kalesy ka nankany Jezirela.Ary ny tànan'i Jehovah dia tao amin'i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.
46Ruka pak Hospodinova byla s Eliášem, tak že přepásav bedra svá, běžel před Achabem, až přišel do Jezreel.
46Ary ny tànan'i Jehovah dia tao amin'i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.