1Saul tedy prvního léta kralování svého, (kraloval pak dvě létě nad Izraelem),
1[Ny niadian'ny Isiraely indray tamin'ny Filistina, sy ny nahadiso an'i Saoly, ary ny nandavan'Andriamanitra azy] Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
2Vybral sobě tři tisíce z Izraele. I bylo jich s Saulem dva tisíce v Michmas a na hoře Bethel, a tisíc bylo s Jonatou v Gabaa Beniaminově; ostatek pak lidu rozpustil jednoho každého do příbytku jeho.
2Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin'ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin'ny tany havoan'i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin'i Jonatana tany Gibean'ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy.
3I pobil Jonata stráž Filistinských, kterouž měli na pahrbku, a uslyšeli to Filistinští. Tedy Saul troubil v troubu po vší zemi, řka: Ať to slyší Hebrejští.
3Ary Jonatana namely ny miaramilan'ny Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
4A tak slyšel všecken Izrael, že bylo praveno: Pobil Saul stráž Filistinských, pročež také zoškliven byl Izrael mezi Filistinskými. I svolán jest lid za Saulem do Galgala.
4Dia ren'ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia halan'ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any Gilgala.
5Filistinští pak sebrali se k boji proti Izraelovi, třidceti tisíc vozů, a šest tisíc jezdců, a lidu ve množství, jako jest písku na břehu mořském. I vytáhli a položili se v Michmas na východ Betaven.
5Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin'ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan'i Betavena.
6A protož muži Izraelští vidouce, že jim úzko, (nebo byl ssoužen lid), skryl se lid v jeskyních a v ohradách, a v skalách a v horách, i v jamách.
6Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin'ny kirihitrala sy tany, amin'ny harambato sy tany amin'ny fierena ary tany amin'ny lavaka famorian-drano izy.
7Hebrejští také přepravili se přes Jordán do země Gád a Galád. Saul pak ještě byl v Galgala, a všecken lid zastrašil se, jda za ním.
7Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an'i Jordana nankany amin'ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany.
8I očekával tu za sedm dní vedlé času uloženého od Samuele; a když nepřicházel Samuel do Galgala, rozešel se lid od něho.
8Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana nataon'i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an'i Saoly.
9Tedy řekl Saul: Přineste ke mně obět zápalnou a oběti pokojné. I obětoval oběti zápalné.
9Ary hoy Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana izy.
10Když pak již dokonal obětování oběti zápalné, aj, Samuel přicházel, a Saul vyšel proti němu, aby ho přivítal.
10Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy.
11I řekl Samuel: Co jsi učinil? Odpověděl Saul: Když jsem viděl, že se lid rozchází ode mne, a ty nepřicházíš k uloženému dni, a Filistinští byli shromážděni v Michmas:
11Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin'ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina,
12I řekl jsem: Nyní připadnou Filistinští na mne v Galgala, a tváři Hospodinově nemodlil jsem se. Takž jsem se opovážil a obětoval jsem oběti zápalné.
12dia hoy izaho: Hidina amin'izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin'i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana.
13Tedy řekl Samuel Saulovi: Bláznivě jsi učinil, nezachovals přikázaní Hospodina Boha svého, kteréž přikázal tobě; nebo nyní byl by utvrdil Hospodin království tvé nad Izraelem až na věky.
13Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin'ny Isiraely ho mandrakizay.
14Ale již nyní království tvé neostojí. Vyhledalť jest Hospodin sobě muže vedlé srdce svého, jemuž rozkázal Hospodin, aby byl vůdce nad lidem jeho; nebo jsi nezachoval, cožť přikázal Hospodin.
14Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin'i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah anao ianao.
15Vstav pak Samuel, vstoupil z Galgala do Gabaa Beniaminova. A Saul načetl lidu, kterýž zůstával při něm, okolo šesti set mužů.
15Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.
16Saul tedy a Jonata syn jeho, i lid, kterýž zůstával s nimi, byli v Gabaa Beniaminově, Filistinští pak leželi v Michmas.
16[Ny nampahorian'ny Filistina ny Isiraely, sy ny nahasahian'i Jonatana namely azy] Ary raha mbola nitoetra tany Gibean'ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin'izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
17I vyšli zhoubcové z vojska Filistinského na tré rozdělení. Houf jeden obrátil se k cestě Ofra, k zemi Sual;
17dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin'ny tobin'ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin'ny lalana mankany Ofra ho any amin'ny tany Solala;
18A houf druhý obrátil se na cestu Betoron; houf pak třetí pustil se cestou krajiny, kteráž patří k údolí Seboim na poušť.
18ary ny iray toko nizotra ho any amin'ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin'ny lalana mankany amin'ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboima tandrifin'ny efitra.
19Kováře pak žádného nenalézalo se ve vší zemi Izraelské; nebo byli řekli Filistinští: Aby sobě Hebrejští nenadělali mečů a kopí.
19Ary teny amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo.
20Protož chodívali všickni Izraelští k Filistinským, aby ostřil sobě jeden každý radlici svou, a motyku svou, sekeru svou i vidly své,
20Ka dia samy nidina ho any amin'ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny.
21Sic jinak byly štěrbiny na radlicích, motykách, vidlách třírohých a sekerách; také i o zaostření ostnu bývalo těžko.
21Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby.
22I bylo, že v čas boje nenalézalo se meče ani kopí u žádného z lidu toho, kterýž byl s Saulem a s Jonatou, toliko u Saule a u Jonaty syna jeho.
22Ary tamin'ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy.Ary ny avy tao amin'ny miaramilan'ny Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany. Mikmasy.
23Vyšla pak stráž Filistinských k cestám Michmas.
23Ary ny avy tao amin'ny miaramilan'ny Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany. Mikmasy.